Ra Noum

Ra Noum Andrianiko ny teniko 👑

..... DIAMONDRA .....Izy dia vehivavy tena tsara bika Mitsiky foana hatrany izy amin'ilay endriny sariakaVehivavy iray f...
21/08/2023

..... DIAMONDRA .....
Izy dia vehivavy tena tsara bika
Mitsiky foana hatrany izy amin'ilay endriny sariaka
Vehivavy iray fotsifotsy fihodirana
Raha resaka lamaody izy tena manahirana

Eny Ambatomainty ,eny no fonenany
Rehefa ao am-pianarana dia tao aorinako no toerany
Ny taranja frantsay ,io no taranja tena tiany
Tovolahy iray misalotra ny anarana hoe tsiky no olon-tiany

Ny dimy ambin'ny folo martsa enina sy roarivo
Io no daty nahaterahany
Izy dia vehivavy tsotra,tsotra kanefa kanto nanahaka ny anarany
Kilasy famaranana izahay no niara nianatra
Dia teo no nahatsapako fa ...
Izy dia vehivavy mendrika ho fitaratra

Izy dia vehivavy endry tsy mpigafy
Anisan'ny mpandamina tao an-dakilasy
Izy no mpampianatra raha sendra misy tsy azoko ny lesona natao
Misaotra Diamondra a, misaotra be dia be anw

Fa manomboka etona ny hevitrin'ny anarany no ndeh topaza maso
Ny atao hoe Diamondra dia vato sarobidy no vidiana lafo
Vato sarobidy manjelatra mangirana
Ny fitadiavana azy ,tena manahirana

Eto am-panaranana ny zavatra soratako
Eto no ilazako fa...
Ianao ry Diamondra dia vehivavy tsotra
Tsotra anefa kanto ,no miavaka ihany koa
Izao ki Diamondra a
Ianao dia vehivavy tsy manam-paharoa
..Ra Noum..

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ra Noum posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category