Ikala Kely

Ikala Kely 🫧 Where words become art 🫧

Asehoko kely anareo ny tsiron'ny tiavina poeta ❤️
10/08/2026

Asehoko kely anareo ny tsiron'ny tiavina poeta ❤️

Tsy hoe ratsy foana akory 🫶
09/08/2026

Tsy hoe ratsy foana akory 🫶

08/08/2026

Indro ary ny valin'ny lalao ❤️❤️

Misaotra antsika rehetra nandray anjara 😊 Manasa an'i Rasoarimala Tsilavina handefa hafatra miafina amin'ny pejy 🥰

06/08/2026

Elaela izay ianareo tsy naheno ny feoko ...

Nanao ahoana raha mba tsy nisompatra ny tany ?Nanao ahoana ianao raha tonga soa teto antany ?Asa nanahoana izany hoe nit...
03/08/2026

Nanao ahoana raha mba tsy nisompatra ny tany ?
Nanao ahoana ianao raha tonga soa teto antany ?
Asa nanahoana izany hoe niteraka ka lasa reny ?
Ho nanao ahoana ny hafalianay nahazo zazakely ?

Ho zazavavy sariaka ianao ka be hanta amin'i dada
Sa zazalahy be sangy tsy mahafoy an'i mama ?
Ho izaho sa ny rainao no tena notahafinao endrika ? (...)
Hitombo fahamatorana aho ve ka mba ho reny mendrika ?

Ho haiko ve ny hitondra anao hizotra amin'ny lalamarina ?
Hanitsy anao, raha sendra diso, amin'ny tenimpitiavana ?
Hampita aminao izay fahalalana rehetra tokony ananana ?
Hahatongavanao ho olo-mendrika sy olom-banona ?

Ary rehefa nitombo taona ianao dia ho nitia mozika ;
Hitia kokoa ny fetifety sa ny filaminana sy vaky boky ?
Hankafy ny asa soratra ka ho poeta tahaka an'i neny ;
Sa hitodika amin'ireny zavatra tsy nahaliana anay ireny ?

Izany fanontaniana rehetra izany no mipetraka matetika
Mamotika sy mandrava ary manimba ny eritreritro
Miezaka mandroso aho fa tsy manampy ahy ny fotoana
Aina avy amin'ny aiko moa iny ka maharary foana ...

Saingy izany fanontaniana izany tsy hisy valiny mihitsy
Tsy mbola notrotroiko akory ianao dia nisaraka isika
Dia any ianao izay any. Izay tena misy anao, tsy haiko
Fa inoako hoe na aiza izay na aiza, efa sambatra ny sombin'aiko

Dia ampy ahy izay.

IKALA KELY

'Ndao ary isika hilalao ho fanamarihana izao 10K izao ❤️Tsotra kely :1- Asao daholo aloha ny namanao rehetra hanaraka ny...
01/08/2026

'Ndao ary isika hilalao ho fanamarihana izao 10K izao ❤️

Tsotra kely :
1- Asao daholo aloha ny namanao rehetra hanaraka ny pejy Ikala Kely - atao "Tout sélectionner". Asio sary manamarina izany (capture).
2- Manonòna (mentionne) namana 3 ao amin'ny taria ianareo dia asao koa ry zareo hilalao ❤️

🎁 Loka: T-shirt personnalisé mitovy modèle amin'ilay anaovako amin'ny sary, avy ao amin'i Miangaly Herinirina ❤️ (Coton 170 g)

⏳ Manana herinandro ianareo, izany hoe hifarana ny Sabotsy 08 Aogositra amin'ny 12 ora atoandro ny lalao.

🔴 Ataontsika ny harivan'iny ny fisarihana dia izay anarana voasarika no mahazo ny loka.

𝐍𝐁: Afaka manao commentaire maro arak'izay tiany ny tsirairay fa mila hoe olona samihafa foana fotsiny no mentionnena 🥰 izany hoe arakaraka ny mahamaro ny commentaire ataonareo no mahabetsaka ny chance handresenareo.

🥹
31/07/2026

🥹

Leo hono izy ka niala taminaoTofoka dia lasa nitady vaovaoAkory moa atao fa fiainana daholo izanyAok'izay dia ajanony ny...
30/07/2026

Leo hono izy ka niala taminao
Tofoka dia lasa nitady vaovao
Akory moa atao fa fiainana daholo izany
Aok'izay dia ajanony ny tomany
Aza lany andro malahelo akory
Izy raha nandao dia izay no sitrapony

Tsy hoe ianao no diso na ianao no ratsy
Tsy ny fitiavanao no nisy tsy ampy
Fa izay fotsiny no everiny hoe mba mety
Ka avelao fa io tsy azo atao antery
Avelao mihitsy rehefa izay no tiany
Miondana eto antratrako dia mangiana

Androany aloha ianao izao marary
Fa minoa ahy, tsy ela io dia hisava
Hanampy anao hanadino ny fotoana
Ny anjaranao koa tsy maintsy ho avy eo foana
Fa mandra-paha aloha ny tenanao tiavina
Dia ny tanjona no ezaho tratrarina

F'ianao na nilaozany, tsy irery izany
Ny namana eto foana, mitia anao hatrany

IKALA KELY

Raha efa nitia dia efa mba nahatsapaFa io fitiavana io tsy hahalalana olonkafa Maro tsara soratra ny akanga any ho anyFa...
28/07/2026

Raha efa nitia dia efa mba nahatsapa
Fa io fitiavana io tsy hahalalana olonkafa
Maro tsara soratra ny akanga any ho any
Fa ny fo mitempo ho an'ilay tokany ihany

Raha efa nitia dia efa mba tsy naharay tena
Fa io fitiavana io indraindray mampalemilemy
Mahavalalanina ... Mahalasa adaladala ...
Mahamamomamo ... Mahajamba ...

Raha efa nitia dia efa mba nivonona hiharitra
Fa io fitiavana io tsy ary mahalala tahotra
Vao raràna, toa mainka koa mihamahery
Sahy miady atramin'ny farany andreseny

Raha efa nitia dia efa mba nahare marary
Fa io fitiavana io mazàna mandrotsaka tomany
Hoe sendra fifandirana na tojo fisarahana
No tsy mafy saina, famoizam-po no iafarany

Eny. Izay rehetra efa nitia dia mahafantatra
Fa sady mampahory io no mahasambatra

IKALA KELY

Hay moa aho teo aloha be teo 🥴❤️
27/07/2026

Hay moa aho teo aloha be teo 🥴❤️

Address

Antananarivo

Telephone

+261348523130

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ikala Kely posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Ikala Kely:

Shortcuts

Share

Category