13/10/2022
Izahay ato amin'ny Bondikely Farm sy ny 103 MMA dia manolotra fisorana feno ho an'ny orinasa Manjary izay hanome vokatra isan-karazany hoatao marim-pankasitrahana ho an'ireo tompondaka hibata ny amboara telo voalohany izay hozaraina mandritra ny TOURNOI D'OUVERTURE hotontosaina eo amin'ny TERRAIN PYLONE Behitsy Ambohimangakely ny 28, 29 sy 30 oktobra ho avy izao.
Amin'ny maha mpanohana offisialy ny hetsika azy dia hanana stand manokana eny an-toerana ihany koa izy ireo ahafahantsika mpampiady akoho misitraka ny vokatra Manjary rehetra raha tsy hitanisa afa-tsy ny Akoho Mozatra, ny Miel ImmuniThé Curcuma sy Miel ImmuniThé Vahona izay ilaina tokoa amin'ny fitsabona sy fikarakarana akoho mpiady.
- Mangez malin, grignotez sain.