01/01/2026
🧨SOS POEZIA ROMANTIKA
Tsy rembiny hoy ny Tsiahy fa
felam-bolankanto manaingo takariva no
indro mampirehitra ny foko tia anao
Voafetra ! hoy ny sentony.
Tsy fahazavana mototra misitraka toloko na
Tononkalo ambivitry ny sary anaty foko no
midorehi-mena mampiantona ny tena
joharin’aizim-poko mivolombolamena
Dia ao no misy fiainana
Ny fiainana ao no misy
Raha sitrany hoy ny tsiahy dia
Entiny aho hitety ny haba-takamaso izay
Redy sady hiakan’ny sary anaty siakany
Dia amboloy toloko rahampitso tahaka izao hoy izy
F’helatra eo ny tselatry ny bokiny mivelatra
Tsy haiko r'azonao,
Mero