11/03/2024
Zany hono ry maman o!
Ny zaza mivalana indray aloha no ndeha ho resahana e!
Ny antony mampivalana zaza:
Matetika indrindra dia avy amina virus no manaparitaka aretim-pivalanana
Ankoatra izay nefa dia mety hampivalana zaza koa ny fihinanana sakafo ratsy tahiry , ny tsy fazakร na singa anaty sakafo sasany (allergie) toy ny lactose sns... ary farany dia mety hampisy fivalร nana eo @ zaza ny fihinanana fanafody sasany
Inona no tokony na tsy tokony atao rehefa mivalana ny zaza
Raha zaza latsaky ny 6 volana ny zaza dia aleo tonga dia manantona dokotera satria zareo tena mora andairan'ny deshydratation (fahaverezan-drano sy mineraly betsaka ) izay mety hafaty. Ary mandrapa tonga any @ mpitsabo dia omeo nono foana ny zaza fa iny no manolo ny rano very any @ c**a (ny nonon-dreny rahateo mampihena ny fivalร nana)
Raha mihoatra ny 6 volana ny zaza:
Omeo SRO izy hamerina ny rano sy mineraly rehetra very sady hisorohana ny deshydratation (vidiana eny @ farmasia io ary afaka manamboatra ao an-trano ihany koa ianao )
Fantaro fa ny fampisotroana jus misy gaz, cafรฉ, ditรฉ dia vao maika mampitombo ny fivalร nana
Ajanona ny fanomezana sakafo manome vahana ny fivalร nana toy ny: rononon'omby , sakafo be fibra toy ny legioma maintso sy voankazo be fibra , zava-pisotro mamy loatra sy sakafo be menaka
Sakafo mampijanona ny fivalanana no omena azy betsaka: Karaoty, ovy, vary maina, akondro, sokola...
Inona no tokony atao sy tandremana mba tsy hampivalana ny zaza
Sasao matetika @ rano sy savony ny tanana (indrindra rehefa avy any @ lavapiringa ) satria efa hainao fa ny virus no mitondra aretim-pivalanana betsaka indrindra
Sakafo frais omena ny zaza fa mety hampivalana ny sakafo ratsy tahiry
Rano azo antoka no omena ny zaza: na rano efa avy nangotraka, na eau de source toa andr Eau Vive ireny
Atao masaka tsara foana ny sakafon'ny zaza indrindra fa ny hena /Atao tsara sasa ireo voankazo manta
Aza malaina manao vaksiny ny zaza rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany satria misy amin'ireny vaksiny ireny no misoroka ny fivalร nana
Ny fivalร nana dia anisan'ireo tranga saro-pady (urgence) any @ zaza ka vao manomboka mivalana izy no azonao atao ireo zavatra nolazaina ireo, fa rehefa hitanao vao maika mihombo ny fivalanana dia manantona mpitsabo. Manantona mpitsabo malaky ihany koa raha toa ka: manavy, mandoa, tsy misakafo sy tsy misotro rano ny zaza
Mirary soa daholo o