06/09/2026
đ«đ· Zazavavy 18 volana maty voahitsaky ny fiaran-drainy tao aminâny camping iray any Moselle
Zazavavy kely iray, 18 volana, no namoy ny ainy ny alarobia 2 septambra teo, rehefa voahitsaky ny fiaran-drainy tsy nahy tao aminâny toeram-pilasiana (camping) iray ao Grostenquin, ao aminâny departemantanâi Moselle, Frantsa.
Vao tonga tao aminâilay camping ny fianakaviana, izay avy any Stuttgart, Allemagne. Misy ny ray aman-dreny sy ny zanany efatra 7taona sy kambana 4taona ary ilay faravavy.
Teo am-panodinana sy famindrana ny fiara ilay raim-pianakaviana, 45 taona, no tsy nahatsikaritra fa nanakaiky ilay fiara ilay zanany vavy kely. Voahitsaky ny fiara ilay zaza ka naratra mafy.
Tonga haingana teny an-toerana ireo mpamonjy voina sy ny mpitsabo, saingy tsy nahavita namonjy ny ainâilay zazavavy kely izy ireo.
Araka ny fanambaranâny Fampanoavana ao Sarreguemines, natao fitiliana toaka sy zava-mahadomelina ilay raim-pianakaviana, ary nĂ©gatif ny valinâireo fitiliana ireo.