26/06/2026
« Koa ankehitriny, raha mihaino ny feoko ianareo
sy mitandrina ny fanekeko dia ho vahoakako manokana eo amin’ny firenena rehetra,
Satria Ahy ihany ny tany rehetra. »
Eksaody 19, 5
Akory aby ooo 🤗
Arahabaina indrindra Tratry ny hasaramanitra.
Mirary fety sambatra ho antsika rehetra, dia ho firenena anjakan’i Kristy tokoa anie ity tanindrazantsika ity.
Sombiny an-tsary tamin’ny hetsika ✨Déjeuner Concert 2025 ✨ lasa teo no entinay hiarahabana antsika anio.
Eny, tsy ny hira ihany, fa ahitana talenta marolafy samy @ karazany avy ao @ Antoko mpihira Tarapahazavana.
Manaraha finaritra ary mirary fankalazana feno fifaliana ho antsika rehetra 🎉