26/02/2025
🛑🛑FILAZANA NY FANDEHAN’NY RENIRANO ETO AMIN’NY LEMAK’ANTANANARIVO
Laharana faha-62
Andronay Alatsinainy 24 Febroary 2025 amin’ny 04 ora hariva
🟡 MITOETRA NY FAMPITANDREMANA MAVO AMIN’NY FIAKARAN’NY RANO (LOZA MANAMBANA) ho an’ireto kaominina ireto :
📍Ankadimanga, Ampangabe, Fiadanana, Ambohitrimanjaka, Iarinarivo
Sabotsy Namehana, Ankadikely Ilafy, Anosy Avaratra
Talatamaty, Ambohibao Antehiroka, Iarinarivo
Antananarivo Renivohitra
❌❌Foana ny fampitandremana mavo amin’ny fiakaran’ny rano (loza manambana) ho an’ireto kaominina manaraka ireto :
📍Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, Ampitatafika, Ambavahaditokana, Fenoarivo, Itaosy, Masindray, Ambohinamanjaka, Ambohijanaka, Alasora, Ankaroabo, Tanjombato, Soavina, Anosizato Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro.
📌Reniranon’i Sisaony :
• 1,30 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Andramasina. Tsy niakatra tsy nidina ny rano nandritra ny 04 ora ary miankina amin’ny toetrandro ny fizotran’ny rano mandritra ny 24 ora manaraka.
• 2,29 m ny haavon’i Sisaony eo amin’ny mari-drefin’Ampitatafika. Nidina 0,03 m ny rano tao anatin’ny 04 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 3,00 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Ampitatafika.
📌Reniranon’Ikopa :
• 2,30 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’Ambohimanambola. Nidina 0,05 m ny rano tao anatin’ny 04 ora ary mbola hidina mandritra ny 12 ora manaraka. 3,50 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Ambohimanambola.
• 3,87 m ny haavon’Ikopa eo amin’ny mari-drefin’i Bevomanga. Tsy niakatra tsy nidina ny rano nandritra ny 04 ora nefa hiakatra mandritra ny 12 ora manaraka. 4,00 m ny refy fampitandremana mavo (loza manambana) eo Bevomanga.
📌Reniranon’i Mamba :
• 3,01 m ny haavon’i Mamba eo amin’ny mari-drefin’Ambohidroa. Niakatra 0,01 m ny rano tao anatin’ny 04 ora.
________________________________________
✅Ambataratonga fampitandremana :
1. Tsy misy fampitandremana
2. Fampitandremana mavo : Loza manambana
3. Fampitandremana mena : Loza mitatao