YOUR RIMA"-Tononkalo.

YOUR RIMA"-Tononkalo. Your Rima,Afaka manoratra avokoa izay membres ato.Tout les membres peuvent écrire ici.

22/06/2024

Halatsako @ zay ve ny aingam- panahy? 😇

03/03/2022
"Télépherique".            Inona indray zao no malaza ry Rivo?                                         Asiana télépheriq...
07/01/2022

"Télépherique". Inona indray zao no malaza ry Rivo? Asiana télépherique hono Antananarivo,hm🙄,raopilanana zany sa elikopitera,? Dray dray dray,sady mahafanina no mampienjera.🙃😑. Faritra aiza avy hono no hifampitohizany?fa izaho daika daika ,ka sao andihizany😃; Quartier administratif,des affaires, Ary résidentiels;Maninona hoy aho raha tonga dia manangana tour Eiffel ?😂. Ny sekoly sy oniversite,Anosy makany Ambatobe,. Ny zone touristique rehetra,ho hisy télépherique ,tsy voafetra. Dia zay aho efa manontany tena,🤔,hanandrana hitaingana ,sady matahotra ny hianjera😓,hoe raha eny no taraiky ,tafajanona tampoka,toa hiala amiko ny foko,aleo voadaroka🤣. Ary raha bokotra hafa no voapotsitra,tany hafa ianao vao votsitra? Télépherique ,maha valalanina,tsy hitaingana an'io aho mba sanina😅, aleo mipetraka tsara @ taxi be,toy izay sanatria lavo avy any ka hisamaka ny fe😬,dia zay ianao fa tafiomehy😄.

Zanaka,Harena tsy voafetra,tsy voavidy vola,mampifaly anao,tsy hay soloina.🤱.............  ............zanaka,hitadiavan...
10/09/2021

Zanaka,Harena tsy voafetra,tsy voavidy vola,mampifaly anao,tsy hay soloina.🤱............. ............zanaka,hitadiavanao vola isan'andro,tsy mitamby hasasarana,hilofosanao lohalaharana.......👩‍👦‍👦........zanaka,mamy sy telina, manome angovo,hoentina mamovo.💪............ Zanaka,finaritra ny fo,miramirana ny saina,fitiavana anareo tsy tambo hisaina.😚😘....Hifohazana maraina ho an'ny zanaka,hodiana hariva ho an'ny taranaka.Tanjona ianareo ho tafita,ny adidin_ dRay aman_ dreny vita💖🙏

Fetinao anio ry mama,miarahaba anao izahay zanaka aman_ jafy,ho feno fitia,hisondrotra voninahitra,aminao no miantefa ny...
25/02/2021

Fetinao anio ry mama,miarahaba anao izahay zanaka aman_ jafy,ho feno fitia,hisondrotra voninahitra,aminao no miantefa ny hafatra....... Misaotra anao nameno ny banga,sady lahy no vavy, Antananarivo, hatrany Tamatave.tsy nanao ankilombi_ an_ doha,fa niroso hatrany,namafy ny soa.....Mama,mamiko,maminay,nahatombo fianakiaviana iray,nahitana ny soa sy ny mamy,loloavinay an_ tampon_ doha hatrany.Maro ny reny fa miavaka hatrany ianao ry neny,rasazy tsy miavona, tsotra figadona......Na iza manaratsy anao, toujours nomber one,isanandro ny ankizy tsy maintsy minan_ kanina.,Ahitanao fika foana,ny hoavinay mandavan_ taona.Mama ho ela andro iainana,ho lavitry ny farofy,izay fikasanao anie tsy ho nofy.......Hifonanay raha nisy nampalahelo anao,tsy amerina intsony,izay ratsy natao,mifalia fa fetinao anio, Aza avela ho maina io 70 taona be io.

Toy ny rano mikoriana,ny ranomasoko ho anao,nahoana no mamilafila,ilay fitiavako anao. Ny foko no efa tia,tsy miova na m...
12/02/2021

Toy ny rano mikoriana,ny ranomasoko ho anao,nahoana no mamilafila,ilay fitiavako anao. Ny foko no efa tia,tsy miova na mba mandao,ekeo re sao sanatria,ho anenenanao.ny fo tezitra mahay mamela,manarina raha sendra mianjera,tsy misintaka,tsy mamela irery,ny anaranao sisa no hany atao tsianjery.

Ry havako aby,mba mailo,mba mihetsika,asio fiovana ny fihetsika, aza tia tsikotsiko etsy sy eroa,ovay fiainanao fa raha ...
05/02/2021

Ry havako aby,mba mailo,mba mihetsika,asio fiovana ny fihetsika, aza tia tsikotsiko etsy sy eroa,ovay fiainanao fa raha zany tsy mahasoa.Ny tena moa mba miteny,satria misalotra ny fiantsoana hoe reny; reny tokana eto an_ tany.miaritra ny mangidy sy mitondra ny mamy.

02/01/2021

Nahoana moa isika no miharitra jaly,maraina,atoandro,mamanton'aly;aiza izany hoe fiadanana?,mba atorohy anay ny lalana.

22/11/2020

Sambatra ny tena,sesika ny soa; hafaliana foana,tsy manapaharoa🤗;zanaka,harena faratampony,volamena sarobidy hoany tompony. Sambatra ny fo,mitempo ho an'olo tiana,mitoboka mafy,lavitry ny fahoriana. Babo anie ,babo tanteraka,. Miran_ dava,tsy mahalala reraka. Aiza ianareo,tia miady lava,mifanopa,mifanaratsy,ranomaso maneran_ tava. Meteza ho fo mifamela,meteza haharitra ela. Sambatra ny fo zatra mizara,na ianao na izy tsara karakara, veloma ho an'ireo mpanadala.

22/11/2020

YOUR RIMA'',Présente une qui n'abouti que des "tononkalo"que se soit parle d'amour ou autre. YOUR RIMA", dia tsisy hafa -tsy "tononkalo" na resam- pitiavana na hafa.

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when YOUR RIMA"-Tononkalo. posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category