19/06/2026
Henoko omaly hoe nandalondalo ka nahoana no tsy mba nivily ?
Sa efa noraisina ho fahavalo ilay hakàny nitaiza fahiny ?
Efa tody soa eny amin'ny tanjona ve dia nitsipa ny laka nitàna ?
Efa manan-tsakaiza hisakambina ve dia adino ny fahazazana ?
Sa efa betsaka atao dia maimaika sy tsy afaka niandry ?
Sa mba sendra anareo roa kely nampiaraka sy nanalazy ?
Sa mba natsiaro ilay Tsiadana kely niara-nidola taloha
Mba namerina kely ilay tsiaro sy sangy fanaotsika roa
Fa nandalondalo ny hakàny dia tsy mba mivily anh
Sa mataotra ve hoe raha hiaona dia hiverina hanao fahiny ?
INDRY Miaiky