07/12/2022
APETRAO EO AMINY NY ADINAO!!
Mbola mihaino vavaka Andriamanitra ary ilay tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.
Tsy t@ testamenta taloha na testamenta vaovao ihany no andro fiasany fa mandrak' ankehitriny .
** Tsy vitan'ny vola fotsiny ihany satria tsy voavidim-bola ny andro havelomanao, na ny facture-ny masoandro ary ny rivotra iainanao fa miankina Aminy daholo izany.
--- Matio 11:28: Mankanesa aty amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
** Inona avy ireo enta-mavesatra?
- Voalohany indrindra ny fahotantsika :
Isaia 59:2 Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.
Efa nentin'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana izany, ka raha manaiky azy isika de hoafaka
tanteraka isika.
- Ny adin-piainana: finacement, nutrition, social
maro ireo fahagagana nataony toy ny m**o 5 sy hazandrano 2
nahavoky olona 5 000 mahery
- Aretina : efa ny dia-kapoka eo Aminy no fanasitranana antsika
Efa tonga Jesosy hamonjy izao tontolo izay maneke Azy dieny mbola hita Izy.