27/02/2026
AKANIKO
Io ny ahy no akaniko,na dia lazaina mitsipozipozy
Tsy mba misy ady na koa teha-maina sy totondry
Somary sahirana tsy be harena
Fa feno fitiavana sy fahendrena
Ny an'ny hafa kanto toa paradisa
Tsy homeny ahy mihintsy
Fa ny ahy ny akaniko na tsisy vola an-tapitrisa
Dia matevina ny lamba-pitia ao, fa tsy mba manify
Tsy mitovy ny hafa ,tsy ampy hirakofana,
Ka tonga hatrany amin'ny fampirafesana