R.H.Toky offisialy

R.H.Toky  offisialy Art

HAHAHAEkeko tena ekeko ianaofa tokana tsy foiko,Tena tia anao ahotamin'ny fo maha-olombelona,Kanefa hialako tsinyraha na...
05/10/2023

HAHAHA

Ekeko tena ekeko ianao
fa tokana tsy foiko,
Tena tia anao aho
tamin'ny fo maha-olombelona,

Kanefa hialako tsiny
raha nandao anao ny foko,
Reko mantsy ianao
fa mbola hifidy Rajoelina.

Santatra RAMAROZAKA

Tsy ny endrika manaitra..Na ny bika mety ho rava!Fa ianao ilay tsy miraika No tena faka vady...      R.H.Toky
03/10/2023

Tsy ny endrika manaitra..
Na ny bika mety ho rava!
Fa ianao ilay tsy miraika
No tena faka vady...
R.H.Toky

03/10/2023

AMPITAO ANY AMINY IZANY !
Ry vorona kely mba mamiko indrindra
Raha sitrakao ,dia tongava eto anio!
Fa Masoandro madiva hiletika iva!
No indro mamoaka ny sentoko Omaly,

Ry voninkazo manintona maso,
mba satriko foana ,hikalo ho anao
Indrisy manahitra ny fo ranomaso!
ireo hira nohenoiko aminy fomba fanao

Ry zavaboary manaitra ny saina
va no manaitra ny hira sy kalo .
tongava f'izany no ventso maraina
hitondra ny hafatro ho anao mba ho any!

…………R.H.Toky…………
30/11/2021/

Send a message to learn more

29/09/2023

Antsa tononkalo kely e...❤
Mpiantsa :R.H.Toky
Lohateny:Vohitry ny nofy

Ndao hifampizara nofinofy e🙈❤❤

... AMORONAO...Tseboky ny fahatsiarovana ny saiko manontoloKa nitsiry angola tsiky teo imasonao malalakoMavesatra fitiav...
26/09/2023

... AMORONAO...
Tseboky ny fahatsiarovana ny saiko manontolo
Ka nitsiry angola tsiky teo imasonao malalako
Mavesatra fitiavana aho ka hindrana ny loloko
ho fanafarako hafatra tsy ho zakan'ito tanako
Ny amoronao no hira famoronako tantara
Ary embona tsy laitrako ho vakina vetivety
Hetsak'asambarana ny endriky ny anjara
ka namadika ny vazo rehetra izay tsy nety
Ary izatsy tononkalo mitanisa volana mihira
ka somamby ny hatsarana mivelatra ao an-tsaiko!
Mamiratra aho ka zary te hiantso ny andakira
Hoe: manina ny atara ka mihira aho sombiniako...
Ary taminao no nanafarako ny marina ato am-poko
sy ny dobok'etaheta 'zay nambambo ahy taminao.
Dia io ianao malala sy ny angola tsy mba foiko
fa manefa ny hatsarana sy ilay izao tontolo izao...
Ary izao tontolo izao sy ilay nofy kely tsika roa
Tao anaty sahy mivelatra ny marina nafenina
Izy koa angaha no ANDRIAMANITRA faha-roa
Dia namorona ny teny sy ny tenany faha-henina
Fito no hamerenako ny hira tao an-tsaiko
Dia hoy aho mantsy anao hoe:
"Ny amoronao no hira famoronako tantara
Ary embona tsy laitrako ho vakina vetivety
Hetsak'asambarana ny endriky ny anjara
ka namadika ny vazo ho hiranao poeta"

...........R.H.Toky......
10042023(Ny Amoronao no tiako mba hirana)

SARO-PIARORaha hitampify ianao dia...Aza eto an-tsandriko no mba manandrakandrana,Raha hitampify ianao dia...Ilay bandy ...
26/09/2023

SARO-PIARO

Raha hitampify ianao dia...
Aza eto an-tsandriko no mba manandrakandrana,
Raha hitampify ianao dia...
Ilay bandy avy eny Ampandrana
teneninao matetika fa
hoe mahafatifaty...
Iny hitampifiana,
Iny harantiranty mba ho fantatry ny maro.

Fa ny eto Ambatomaro?
Tena saro-piaro rehefa resaka ohatr'izany,
Mandàna ianao makany dia ahita lohamboto e!
Fa tsy isan'andro izao dia:
"Manja kely i Naivo e...
Bogosy kely i Koto"
Dia izaho ve izany donto?

Isak'izay mihaona ve akia
dia izany foana a!
Ny ankoatrizay dia naona...
Te hiala hetaheta,

Aoka fa tsy tanty e!
Izaho anie ho'aho Poeta
fa tsy piasa ao amin'ny banky e!

Santatra RAMAROZAKA

  Tsy ny maraina maharavo na ny rado volamenanyFa ny tapaka andro monja no voatokana honenanyTsy ny hariva mahamanina ar...
20/09/2023



Tsy ny maraina maharavo na ny rado volamenany
Fa ny tapaka andro monja no voatokana honenany
Tsy ny hariva mahamanina ary koa ny tononkirany
Fa ny alina mangina no voahomana hidirany.

Tsy ny lapa soa mirenty saininao ho fanaperana
Na ny harena mahavita araka ny fiheverana
Tsy ireny velively no hasambaranao, Rahavako
Fa ny foko, dia ny foko, ilay tempolin'ny fitiavako.

Ilay fitiavana mahery tsy ho babon'ny mpihaza
Raha fo no mifangia na ny herim-pasana aza
Tsy hampiraika velively eo an-dalana fizorana
Mainka koa handrisika azy hanamafy ny fatorana.

"Ahy ny malalako ary azy Aho"
Tononkira 2:16

(Edmond RANDRIAMANANJARA)
Randja ZANAMIHOATRA

TSY ADALA Io no hamehezako ny teny rehetra rehetraIzay mbola tsy voalazako tanaty taona maroMbola averiko eto ihany fa t...
14/09/2023

TSY ADALA
Io no hamehezako ny teny rehetra rehetra
Izay mbola tsy voalazako tanaty taona maro
Mbola averiko eto ihany fa tsy adala ny poeta
Fa mba miezaka mikalo anaty rima mifangaro

Ny fisainan'ny mpahay no nanakatra an'izany
Hoy:Randja ZANAMIHOATRA tao anaty tononkira
Fa harena sarobidy ary koa tsy mety lany
Ireo mikatsaka sy mihira izay halavitra andakira!

Ka na vovoka manditsoka mipaoka anaty maso,
Ka manaitra tory lalina ao anaty fahatsiarovana
Dia ireo rehetra ireo mihitsy no tadidy tsy voafafa
Imasonao mpahary,ka hiteram-pahatsiarovana

Fa tsy misy mpahalala ny ao anatinao mangina
F'efa rendriky ny vazo hatrany amparalalina any!
ka aiza ho aiza izany ilay nitia am-po mangina
Raha tarafina aminy tononkalonao ry zoky RADO?

Moa mba efa niaina izany sambo hiampita onja
Taminy tononkalonao Ny Avana RAMANATOANINA ?
ireto zandry kelinao milomano anaty onja
Hatrany mitadidy ireo fitiavana nindramina

R.H.Toky

Ireny Kintana ...Ireny kintana eny ireny dia malala nodimandryAny ankoatrahoatry ny aina sy ny fotoana sy habakabaka,Ire...
12/09/2023

Ireny Kintana ...

Ireny kintana eny ireny dia malala nodimandry
Any ankoatrahoatry ny aina sy ny fotoana sy habakabaka,
Ireny zavozavo ireny, vovok’aina mbola miandry
Ny firendriny ho tsiahy na andalan-tonom-bavaka...

Ireny kintana eny ireny, pitik’afo tamin’ny fo
Raha niredareda teto ireo fitiavana mahery ;
Iny mangan-danitra iny dia lavenona avokoa
Izay manditsoka ny maso feno hanina mijery.

Ireny kintana eny ireny, fantsipantsika miranga
Nanomboana rahalahy teto an-kibon-tany hay ;
Iny mangan-danitra iny, ra tsy maina vao miampanga
Fa tsy mbola mety ritra ireo vonoana hatrizay.

Ireny kintana eny ireny, ravaravan-drarivato
Tamin’izao tontolo izao saika hatsangana ho lanitra
Kanjo helo no natao fa ilay asa dia naato,
Ary misy izao mankany hanontany an’Andriamanitra.

Ireny kintana eny ireny dia litera izay niraraka,
Misy soratr’andronao azo novakin-tsy miambatra
Saingy nokobonina izy, dia voadona ka nihahaka
Ary fe ankehitriny, tsy azon’iza na iza atambatra.

Ireny kintana eny ireny, vony manitry ny laza
Natsikafon-drivo-maina eny ankilahila ambony ;
Ireny kintana eny ireny, na mamirapiratra aza,
Tsy mazava, tsy mahiratra amin’itony tany itony.

Ireny kintana eny ireny, maso, sofi-marobe
An’ny tompontsika hendry izay variana milalao,
Ireny kintana eny ireny ; tsy mahita, tsy mandre
Na ny hadalana etoana, na ny fivavahanao.

Ireny kintana eny ireny, sambo kely telo arivo
Feno hala-tsarobidy ‘ndeha havarina any ho any...
Ary ilay mangabaka iny dia seranana marivo
Feno lalina mandrevo, mampilatsaka eto ihany.

Ireny kintana eny ireny dia tohizam-boahangy raraka
Teny am-bozon-jazavavy norobaina teny an-dàlany ;
Iny mangan-danitra iny, ranomasina malalaka
Nilentehany ho Saina ho rantoin’ny malalany.

Ireny kintana eny ireny dia masoandro mipariaka
Amin’ny làla-mandronono an-jepizepin’ny fisiana ;
Ireny zavozavo ireny, vovo-kintana mandriaka
Na enton’afo mifandramby hivonganam-pahariana.

Randja Zanamihoatra

ETO ANDAVARANGATSIKANy diavolana irery no mahita ny halaheloko eto andavarangatsika.Ny diavolana irery no miombona alahe...
07/09/2023

ETO ANDAVARANGATSIKA

Ny diavolana irery no mahita ny halaheloko eto andavarangatsika.
Ny diavolana irery no miombona alahelo amin'ny foko mangatsiaka.
Ny diavolana irery no mitsetra ny fanahiko eto anivom-pahanginana.
Ka manolotra ny tarany sitrany 'hay ho fihononana ho ahy diso fanambinana.

Efa akaiky ny ririnina...madio anefa ny habakabaka, alina manganohano
Efa diva hano veloma ka manala ny halahelony izato volam-pararano.
Eto andavarangatsika toa tsy tsaroako intsony ny fanala sy ny hatsiaka..Variana dia vaariana aho mitadidy antsika teto sy ny tafasirintsika.

Takariva tahaka izao, takarivan-diavolana, saingy tamin'iny kosa
Voninkazo midoroboka no nambabo antsika teto tamin'ny felany miavosa...
Ary izao ny foko irery sy ny voninkazo ringitra no mitazana ny volana!...

Teto isika, saingy jenjina, safotry ny hasambarana ka niloaka ny ho doria
Voninkazo halazo ampitso, volana halaky banga, kintana tsy fanta-dia
No nantsointsika hanatrika ty voady mahonena samy nentim-pahatsorana.

Dox, 26 avril 1938

"Fahatsiarovana ho an'ilay maditra keliko izay efa nody mandry" Ireo tantaran-tsika izay niarahana hatr'izayDia tantaran...
05/09/2023

"Fahatsiarovana ho an'ilay maditra keliko izay efa nody mandry"

Ireo tantaran-tsika izay niarahana hatr'izay
Dia tantaran'olo-droa tao anaty ny "Diary"
Satria fitia nafana tao anaty tranon'kala
Dia tsy ho fantatra naoviana
Satria io tsiambara telo....
Ny latsak'orana nandavaka ny tany
Ny fidoboky ny lanitra tsy ho fantatrao izany!
Ny ranomasom-bolana tsy hilatsaka naoviana
Satria io tsy mba vaolana aminy teny fikasana,.
Ry kintana mpanaingo ny habakabaka rehetra
Ary pitantara angano,
irao 'lay morontsiraka hitetitety ny onjany,
Izato tora-pasika mitondra fahatsiarovana
Ary izato tononkaloko miantsa fivalozana
Moa mba tsapanao ?.
Irao 'lay eritreritra hisidina eny an-danitra
Mba hitoetra eny aminy volana,
Poezie ny tany sa poezie ny lanitra?
Irony ilay kamory 'zay tsy hitoetra mba haharitra,
Satria io tsiambara telo ao anaty fahitana!

R.H.Toky ( 2019)

Mbola misy - Elie Rajaonarison0Eny,ekeko izany,kanefa mbola misymbola misy hiratsy novetsoinareombola misy kalombola mis...
30/08/2023

Mbola misy - Elie Rajaonarison
0
Eny,
ekeko izany,
kanefa mbola misy
mbola misy hira
tsy novetsoinareo
mbola misy kalo
mbola misy teny
nohadinoinareo.

angamba... anjaranay ?

fa mbola misy hira
mba satrinay hainoina
mbola misy kalo
mba tianay ho kaloina
mbola misy teny
irinay hivetsoana
"ireny rehetra ireny"
nataonareo amboara

anaovana azafady
fa satrinay hangina
kanefa mbola misy
angola nampirimina
maniry mba ho fohazina
koa mamela anay..

[8 oktobra 1979]

Address

Antananarivo

Telephone

+261347591493

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when R.H.Toky offisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category