Tononkalom-piderana feno

Tononkalom-piderana feno Tsy misy afa tsy Ianao ry Tompo no hifikirako.. Ianao Tiako.. ka tsy ho avelako fa taniko ka tsy ho hariako..

28/09/2021

....**** Be fitiavana *****....
Maro ny adalana vita
betsaka zavatra natao
Tsapako ary misy zavatra hita
ay, Namindra Fo ahy Ianao...
Nisy famindrako Tsy nety
Nandika ny teniNao
Itako sy tsapako fa Resy
Vao lavitra Anao...
Ka raiso re ity tenako
izay atolotro ho Anao
izay sitrakao ekeko
Hiova aho ho olom-baovao...
Ka ny anio sy ny ampitso
tsy fantako izay miseho
ka raiso ito tenako ito
ry Tompo malala mba vonjeo...
Tononkalom-piderana feno

21/09/2021

fa ny anio, ny ampitso tsy fantatro izay miseo
fa mahatoky aho ry Tompo fa Ianao eo anilako eo
Ka n'Aiza n'aiza alehako
ninona ninona ataoko
mino aho fa ianao
dia tsy handao!!
Ry Tompo be fitia,
tariho aho mba hakany..
Omeo ny herin'ny Fanahy Masina aho
Hafahako manao izay sitrapoNao...
Na mafy ny ady, na ho reraka aho
tsy ho kivy izany, F'Ianao ao ambony ao..
Mitazana ahy foana ah
Mamonjy ahy raha misy zavatra miseho..
Ka n'aiza naiza alehako
ninona ninona ataoko
mino aho fa Ianao
dia tsy andao...
Tononkalom-piderana feno

❀Tia anao ny Tompo❀
16/09/2021

❀Tia anao ny Tompo❀

16/09/2021

...***Ianao no mahalala ny mety***...
Maro ny faniriako sy tadiaviko
maro ireo zavatra kasahiko!
fa Ianao no mahalala ny mety
ny ety,
mba tsy ho very...
omeo hery aho, omeo fitia, Ianao no hitantana ny dia!..
Tsy fantako ny ampitso
na ny anio arany!
atolotro Anao vatako ito
Ianao no handray ahy !
Matoky aho fa eo Ianao
mitantana ahy ka tsy mandao
fa Ianao mitarika ahy
Omeho hery aho emao fanahy!
Tononkalom-piderana feno

.............***VAVAKA.............***Misaotra Ray ny -tsoa maro be Nomenao sy ny  andro anio ity ka mbola tsapamonjena ...
15/09/2021

.............***VAVAKA.............***
Misaotra Ray ny -tsoa maro be Nomenao sy ny andro anio ity ka mbola tsapamonjena sy velonaina aho afaka Midera sy mankalaza ny Anaranao. Noho ny Famindraponao dia mbola eto foana izahay sy fitantananao. Na dia tsy mendrika teo Imasonao akory ary aho dia Notahianao tahakizao. Ny Fanahinao Masina anie hiaraka aminay mandrakariva anome toro-saina, toro lalana hafahanay manao ny Asanao ry Ray Tsitoha. sy hafahanay miara-sambatra sy miarabelona ary mankatoa mpiarabelona aminay mba ho fifaliana foana no hiainanay ety. Misaotra Ray be fitiavana.
Amen !

....***Sambatra ny foko***...Faly aho fa manana AnaoFaly aho Fa eo IanaoDeraiko sy hankalazaiko ny AnaranaoAmbarako amin...
14/09/2021

....***Sambatra ny foko***...
Faly aho fa manana Anao
Faly aho Fa eo Ianao
Deraiko sy hankalazaiko ny Anaranao
Ambarako amin'izao tontolo izao.
Tsy misy tsara lavitra mihotra Anao
Ry Ray tompo malala
Ao ampoko foana ny Anaranao
Izaho aminao, izaho tsy hiala...
Sambatra aho fa manana
Ilay Tompo Jesoa Kristy
Tsy ory hava manana
raha ety antany ety...
Raha mbola ao ampoko foana
ianao Jesoa
Deraiko mandavataona
Jesoa Tia...
Ny satana dia ho rava
raha handrodana ny fiainako
Jehovah no handrava
Izay tady hanimba ny andro hiainako
Ireo teby rehetra dia ho afaka
ny sento sy tomany dia hijanona
Fa ny Tompo no hanafaka
Dia hitony sy hilamina... ny fiainakooo!!!
Tononkalom-piderana feno

RAISO IZY FA TIA ANAO NY TOMPO πŸ˜‡πŸ€πŸ»
14/09/2021

RAISO IZY FA TIA ANAO NY TOMPO πŸ˜‡πŸ€πŸ»

14/09/2021

***Teny Mampahery Antsimpy***
Ianao indraindray mila ho kivy, toa otrany hoe hamohifo 😞 matsapa fa resy eo , lasa mihitsy ny saina hoe miady irery aho 😏 Tsy misy miraharaha fa toa mandeha ho azy eny foana fiainako na dia mihezaka mafy ary! 😐 TSAROVY fa JESOSY nanolotra ny AINY teo ambony ny hazofijaliana dia noho ny famonjena antsika zanak'olombelona... Nanolotra Tenany Izy mba hanafahany ny helokatsika sy fahotantsika. na dia tsy mendrika ary izaho sy ianao. Dia Tiany foana sady Malalany eo akaikiny! ary tsy Foiny ianao, tsy ho ariany πŸ™‚ Na dia miady mafy ary izaho sy ianao. dia izao no ataovy antsaina hoe tsy ho resy aho raha miaraka @ Tompo. ** Izy no hiady ho ahy sy ho anao fa tsika hangina** Na misafotofoto ary ny fiainana. rehefa manakina hoe ity tenako raiso ho Anao fa vonona izaho hanao izay Sitrakao, Dia ho itanao fa andeha foana ny fiainanao, rehefa misy ny olana, dia JESOSY irery ihany no antsovy sy iteneno izay olanao izay,aza miteny @ hafa mihitsy hoe izao ny olako mama,Dada, Zoky, Havana sy ny sisa... fa Izy no antsoy,Fa ho tonga Izy hamaly anao...dia ho itanao fa hamaly ny vavaka Izy... matetika izay foana miseho tsirairay,vao misy olana dia hafa voantso voaloha fa JESOSY faharoa...ao antsay ntsika manko izay foana hoe rehefa tsy mahita vahaolana atsy dia aleo JESOSY no antsoina... Fa andramo izay nge πŸ™‚ Antsoy JESOSY dia ho valiany ianao, tonga Izy hanome vahaolana ho anao. Dia aza mora kivy izany @ Fiainana, fa raha tady ho kivy ianao dia mivavaha, fa itanao fa hahery ianao ary hahazo aina sy hazoto .
Izay no mba hafatra kely fohy fa dia Mivavaha aza mitsahatra,Ary aza adino manankina fiainanao fa dia ho hitanao fa tsy hiady irery IANAO.
Zay fa Tahin'ny Tompo avy dia bon courage. πŸ˜‡πŸ€šπŸ»πŸ‘‹πŸ»
TONONKALOM-PIDERANA FENO

13/09/2021

.......****Hazomy mafy.....***
Hazomy mafy izay Anananao
Mba tsy ho very izay anjaranao
Fa io no ampitombo ny finona
dia Jesosy irery ihany no tompona!.
Aza miherika avia sy havanana
fa ny tompo efa manolotra tanana
Mba mila anao Izy ho namana
Ny fiderana azy no tohanana!..
Tsy ho resy ianao raha miaraka Aminy
fa andresy lalandava
Tiany ianao sady maminy
fihavananareo tsy ho rava...
Ka raiso Izy anio ho ao amponao
fa izy no hiady ho anao
Dia ireo fitsipiny rehetra harao
ho itanao fa hiadana ianao!..
Tononkalom-piderana feno

13/09/2021

Address

Ambanidia
Antananarivo

Telephone

+261330411074

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tononkalom-piderana feno posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Tononkalom-piderana feno:

Share