An'jara HNS

An'jara HNS Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from An'jara HNS, Poet, Anosizato.

😴😴
13/06/2025

😴😴

EFA SITRANA AHOTiako ho fantatrao eto anio ry olona inyHoanao izany ry malalako fahinyIlay foko izay noratrainaoDia efa ...
24/12/2022

EFA SITRANA AHO

Tiako ho fantatrao eto anio ry olona iny
Hoanao izany ry malalako fahiny
Ilay foko izay noratrainao
Dia efa sitrana tanteraka aho izao

Iny hitanao iny aho lay nitomany farany
Fa raha ilay ratram poko efa sitrana tanteraka
Lay tantaran tsika hoadinoiko atramin'ny farany
Dia adinoiko koa ireny nofinofy hoe ifanolotra peratra

Tsy mandray anao ho fahavaloko aho ry olony iny
Satria ianao efa natsoiko hoe malalan'ny foko fahiny
Mbola ato ampoko ianao na dia namitaka ahy tamin'iny
Fa ataiko tsara levina ilay boky nisy ny tantarantsika iny

Eny e!mafy loatra lay nataonao ahy
Kanefa efa sitrana aho fa aza manahy
Tamin'ireny aho no naratra tsy niteny
Fa ankehitriny kosa efa sitrana lay fery

Masoava rea rahavako
Miezaka hiala aminai ny fitiavako
Misaotra tamin'ireny fitakao
Tsisy neniko mihitsy izay natao

Ventsoko mangina HNS 24dec 2022

NANDALO,,Toin'ny vao omaly lay voadintsika roaToin ny tsy vavanao ery ilay nilokaloka hoe tena tiako ianao ka ireny ditr...
20/12/2022

NANDALO,,

Toin'ny vao omaly lay voadintsika roa
Toin ny tsy vavanao ery ilay nilokaloka hoe tena tiako ianao ka ireny ditrako ialako avoko
Dia nilaza koa fa manombo eto dia vonona ikaroka izay mahasoa
Ary tsisy fetra ilay fitiavantsika roa

Dia faly zato foko nandray ny teny mamy
Dia nivoady fa mandrakizay tsy ifanarany
Sambatra aho satria naheno ilay toky dia hoe ifarana atreo ny tomany
Indrisy anefa fa tsy mba izany

Vao andro roa zay no lasantsika
Dia nadinoinao sahady ireny voady vita
Toa lasa ianao rehefa nahita ilay tsaratsara
Dia milaza fa leo ary tsy tamana

Anefa izao tsara no tadidio
Namafy rivotra ianao dia ijinja tadio
Tsy miatso tody aho sanatria
Fa misy tody ange ny fitia

Ny afatro nena dia tsotra iany
Tsy novozonana na noterena ianao no nakany
Ka tandremo sy fadio raha sendra voadona any
Dia aty amiko no ifokofoko itomany
Fa raha ny iverina aminao dia sanatria izany

Toa nandalo sy atendro molotra iany
Ilay toko sy voady ary teny mamy
Tsy mba mijanona teto amin ilay akany
Fa lasa nandeha nanidina any ankafa any
Eny e,,,soavadia iriko tsy hanody anao ilay tomany

Ventsoko mangina(HNS 20dec 2022)
21h30min

REhefa hitanao fa tokam_po aho dia nampijalinaHitanao fa tsy miteny dia norafinaAtaovy antsainanao fa na ovina na ovinaM...
16/12/2022

REhefa hitanao fa tokam_po aho dia nampijalina
Hitanao fa tsy miteny dia norafina
Ataovy antsainanao fa na ovina na ovina
Mbola hivaly aminao izany eo fitomanina

Aza maika aloha anio ny hiteny hoe sambatra
Aza mbola misioka fa tsy mbola miadana
Tsisy olona manao ratsy ka hosambatra
Fa ny manao ny marina ihany no miavaka

Masika mitsy aho miteny satria nahoana?
Ela aho no nangina ka tonga ity ilay fotiana
Fotoana iray anambarako sy itenenako
Fa efa mijaly mafy loatra ny tenako

Koa androany no ora farany anadinoko anao
Amafako ireny vita zay natao
Amelako anao tanteraka ao anaty kilalao
Any andro iray hovoadoana ianao
Ka iverina aminao avokoa ireny zay efa nataonao

Amizany aho efa tsy eto intsony
Efa any ankafa aho no tony
Raha ny hiverina aminao tsy hisy intsony
Fa raha misaina ny ifona aza manatena intsony

Ventsom poko
HNS 16dec 2022
19h30min

Atolotro ampitiavana be dia mazotoa mamaky daholo oh
15/12/2022

Atolotro ampitiavana be dia mazotoa mamaky daholo oh

FAHASAMBARANAOFahasambaranao tokoa lay fojaliakoFifalianao lay fiafikoFandresena hoanao ny faharesekoSaingy tsy nahoaka ...
15/12/2022

FAHASAMBARANAO

Fahasambaranao tokoa lay fojaliako
Fifalianao lay fiafiko
Fandresena hoanao ny fahareseko
Saingy tsy nahoaka izany fa ny tanjoko no nojereko

Androany anefa aho milaza aminao
Fa efa miezaka aho manangana fiainana vaovao
Ataoko fantanao tsara fa za tsy very zany
Fa tamin ireny fotsiny aho no nitomany

Nataonao kilalao izaho lay tena nitia
Indrisy anefa enao mody mivoady hoe ny atsika ho doria
Nitia anao tanteraka aho tsy nisaina inona na inona
Sainga araraotra n valiny za nataonao tsinotsinona

Fahasambaranao ny nampijaly ahy
Tiako fantatrao androany fa efa sambatra aho tsy manana ahiahy
Raha ny jaly zay nomenao ahy dia mbola anody
Miandrasa kely fe efa ao ny tody

Ventsoko mangina (HNS 15dec 2022)

Anivon drano lalinaIlay sambom pitiavantsikaAtopatopan'ny alonaIlay tanjontsika hoeny ampitaMaro be ireo mpankahalaMaro ...
09/12/2022

Anivon drano lalina
Ilay sambom pitiavantsika
Atopatopan'ny alona
Ilay tanjontsika hoeny ampita

Maro be ireo mpankahala
Maro be ny mpanaratsy
Anefa ny fitiavako tsy hiala
Fa hoana mandra_maty

Mandra_maty ilay voady
Ka na misy olana io na ady
Isika tsimaitsy tafita
Hoamafisina atrany ireo fifankatiavantsija

Ny tsy tia misy foana
Ny mpankahala koa tsy foana
Ny tanjontsika dia tafita
Ary tsy horava ilay paradisa

HNS 09dec 2022
En suite

ALEO AHO MBA ATSIAROAleo aho mba atsiaro ireny lasantsikaAleo aho mba atsiaro lay fitia paradisaLasa ianao nandeha namel...
02/12/2022

ALEO AHO MBA ATSIARO

Aleo aho mba atsiaro ireny lasantsika
Aleo aho mba atsiaro lay fitia paradisa
Lasa ianao nandeha namela ahy irery
Rava ilay fitia izaho mandeha irery

Soratra sy penina sisa no mba namako
Dia ilay fitiavana no mba hany fananako
Dimy taona zay no nandaozanao ny tany
Manomboka eto aho no hitraka hamafa ny tomany

Tsiaro kely aky ity soratro ity
Tsiaro zay tavela tamin'ilay fiti(a)
Aleo aho mba antsiaro anao eto farany
Fa anio angamba aho no isaona farany

Aleo aho mba antsiaro
Ireny fitia nampiaiky ny mpandalo
Misambara rahavako any akoatra
Fa hiezaka andamina ilay foko sy anamboatra

HNS 02dec 2022
En suite...

30/11/2022

CC daholo mety amintsika ve raha toa ka tantara no avoakak ato?
Merc hoan zay maml

TIANY HONO IZAHOTiany hono izaho ka hotantanyTiany hono izaho dia hotiny atramin'ny faranyRaha manaiky hono izaho dia at...
28/11/2022

TIANY HONO IZAHO

Tiany hono izaho ka hotantany
Tiany hono izaho dia hotiny atramin'ny farany
Raha manaiky hono izaho dia ataony mariazy
Tena matotra hono izy fa tsy mivazivazy

Anefa .....
Tsy afeniko aloha fa ilay foko koa mitempo
Mino aho fa izy no hanala ireo sento
Angamba izy no hitondra indray lay masoandrom piainako
Izy mako lay tena namako mpiheno ny fitarainako

Raha tena tia anazy hono za dia ho alainy
Hotiaviny mandra_maty hono dia tena hohajainy
Tonga eto hono izy ampitso haka valin_teny
Tompo oh ampetrao ao ambavako ilay valin_teny

Nony ampitso....
Toa ohata tsy vitan ny vavako ny anambara aminazy
Fa ilay foko koa anie mitempo hoanazy
Inoko fa anio ihany no tsy voalazako izay
Fa mino aho fa voateniko izany amin'ilay andro ray

Samy tia izahay fa tsisy mivazivazy
Samy vonona avokoa ny anao mariazy
Isaorako anao JEHOVAH nanome azy itatana ny tanako
Anomboko eto dia hiova paradisa ilay tantarako

HNS 28nov 2022
En suite..

25/11/2022

TSIARO

Tsiaro manembona tsy azo ialana
Ilay tsiaroko anao ry malala
Tsiaro iray tena manonja
Mamelona atrany ilay fitiavana mafonja

Tsiaro iray manonja ao anaty
Mamelona ilay afom_pitiavana tsy ho faty
Tsiaro manainga ny foko rehetra
Hitempo hoanao tsisy fetra

Tsiaro iray mampatsiahy tsiambara telo
Ka eto aho manembona sy malahelo
Tsiaro mitondra fisainana lalina
Tsy mamela matory amin'ny alina

Tsiaro tokana atsiarovako anao any
Tsiaro mitondra alahelo sy tomany
Rehefa sendra kivy sy malahelo
Ilay tsiaro no mitanisa ireo tsiambara telo

Tsiaro mandalo isan'andro isan'ora
Tsiaro mitondra nofy mamy
Tsiaro mafy sy mora
Ka mitondra aleheloko anao any alavitra any

HNS 25nov 2022
En suite..

Address

Anosizato

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when An'jara HNS posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category