Matselaka Mozika Studio

Matselaka Mozika Studio Studio d'enregistrement : prise vocal et instruments Arrangement musical

FIKIRANA FEO (MIXAGE AUDIO)☺ Fizaràna tsotsotra rehefa hikira feo ☺👉🏻Averina henoina tsara ny zavatra voaray rehetra, ha...
05/05/2023

FIKIRANA FEO (MIXAGE AUDIO)

☺ Fizaràna tsotsotra rehefa hikira feo ☺

👉🏻Averina henoina tsara ny zavatra voaray rehetra, hatramin'ny piste secondaire.

👉🏻Atao ny mixage tsotsotra sy ambangovangony na ny fandrindrana ireo feo ilaina rehetra.

👉🏻Mifantoka amin'ny "rythmique" sy ireo zava-maneno fototra ary ezahana atao amin'ny antsipirihany amin'izay ny "mixage"n'ireo.

👉🏻Fiatoana voalohany (pause)

👉🏻Atomboka amin'izay koa ny "mixage"n'ireo sy ny fampidirana ireo zava-maneno hafa.

👉🏻Ampidirina ary atomboka mixage ny feon'olona (voix principales) ary ny feo lafika raha misy.

👉🏻Rehefa samy amin'ny toerany ireo dia atao izay hampiaraka azy rehetra tsara, (panoramique, compression, effets, égalisation)

👉🏻Hatsaraina ary hidirana amin'ny antsipirihany ny ny zava-bita eto, ary eto no manova ny "effet" na manova ireo fikirana natao... (Henoina "avant" sy "après" isaky ny manova)

👉🏻Fiatoana manaraka

👉🏻Henoina amin'ny fitaovam-pihainoana samihafa, (havoaka henoina amin'ny fitaovam-pihainoan'ny daholobe toy ny téléphone, subwoofer, ecouteur, sns....)

👉🏻Famaranana ny fikiràna, "compression" maivana amin'ny "mixage" ankapobeny, ary enregistrena amin'izay ny "mixage"

👉🏻Ny ampitso, averina henoina ny mixage vita ary manao ny fikiràna farany sy ny fanintsiana raha misy.

01/10/2020

Mahatonga ny fialonana?🤔

❎Ny tsy fihezahana manao na manome ny tsara indrindra, ka tsy hahahazoana fankasitrahana no mahatonga ny fialonana.
Eto toko faha 4 izao dia tsy nahazo sitraka avy amin'Andriamanitra i Kaina dia velom-pialonana ka niafara tamin'ny famonoana an'i Abela rahalahiny.

❎Toy izany koa isika ankehitriny, rehefa misy olon'kafa mahazo sitraka bebe kokoa avy amin'ny olona noho ny tena vokatry ny ezaka nataony, dia misy tsy mahazaka, ka miteraka ilay fialonana.
Izany hoe ny olona be fialonana izany dia manisy sy manome lanja ny ara-nofo fa tsy mba mandeha araka ny Fanahy. Galatiana 5.16-26

❎Ny fahitantsika ihany koa hoe misy olona mahay mihoatra antsika, mahalala sy mahafantatra zavatra betsaka noho isika dia miteraka ilay fialonana.
Araka ny Marka 9.33-50 izao dia nialona ilay olona anankiray nahavita nandroaka demonia ny mpianatry Jesoa.

👉🏻Araka izany àry raha te hiala amin'izany toetra tsy mendrika izany isika dia:

✅Mila mandeha araka ny Fanahy fa tsy araka ny nofo.
✅Mila miezaka manao sy manome ny tsara indrindra ho an'Andriamanitra sy ny olona rehetra ary amin'ny zavatra hatao.
✅Mila mahay manetry tena ka mandray ny olona manana fahalalana mihoatra noho ny tena ho mpiara miasa sy mifanampy satria mety ny hainao tsy hainy ary ny hainy tsy hainao.😇

Address

Ambohimangakely

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Matselaka Mozika Studio posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Establishment

Send a message to Matselaka Mozika Studio:

Share