09/09/2023
Miarahaba antsika tonga eto @ pejy vaovaon'ny fikambanana .
Anisan'ny voalohany nanao ny antso ho an'ny hirotsahan'ny Filoha Andry RAJOELINA ny "" Lay FAR Frantsa "" ny faha 29 aogositra lasa teo.
Rehefa nanao ny tombana ny 5 taona lasa nitondrany ny Lay FAR Frantsa dia izao no naharesy lahatra ny fikambanana hanao ny antso:
- teo anatrehan'ireny COVID 19, rivodoza, tondra-drano nandalovan'ny firenena ireny manoloana ny fahasahiranana mianjady an'izao dia nanao laharampahamehana ny @ SOSIALIM-BAHOAKA ny fanjakana ka
- nizara maimaipoana ny CVO hiadiana ny COVID 19, nanao ny TOSIKA FAMENO, ny VATSY TSINJO ary ny VARY MORA.
- ny tetik'asa FIHARIANA ho an'ny ireo tanora manana tetik'asa.
Fa teo anatrehan'izany nametraka ny vatofototry ny fampandrosoana koa ny fanjakana ka nanorina ireo FOTODRAFITR'ASA marobe manerana ny Distrikta manerana ny Nosy, toy ny:
- SEKOLY, ny Hôpitaly manarampenitra, ny CSB2, ny LALANA,ny ny toby ho an'ny mpitandro ny filaminana, ny biraom-pitaleavana samihafa.
- ny tranon'ny FITSARANA
- sy ny marobe tsy ho voatanisa eto.
Fa nanomboka nametraka ihany koa TANIKETSA INDOSTRIALY isaky ny Distrikta ihany koa ho fampandrosoana ifotiny.
Ireny rehetra ireny koa anefa dia niteraka asa marobe @ ireo toerana nanorena ireny.
- Fa tsy latsa-danja ihany koa ny nanomezan-kasina ny KOLOTSAINA t@ nahavitan'ny Rovan'i Madagasikara, ny Lapan'ny TANANAN'ANTANANARIVO RENIVOHITRA.
Ireto roa farany moa izay vao vita fa notazanim-potsiny nandritra izay fitondrana nifandimby izay.
Nanamarika ny fitondrany ihany koa ny TENA FITIAVAN-TANINDRAZANA t@ NITAKIANY NY ILES ÉPRARES teo @ sehatra iraisampirenena sy t@ fitondrana Frantsay.
Indro ny vidéo mirakitra izany ANTSO izany