17/04/2026
🔴❌Ny ️vady aman-janaky ny lehilahy nanitsakitsa-bady ❌️🔴
⚠️Vakio tsara, vakio im-polo
⚠️Aza maka an-tendrony
⚠️Aza malaky mitsara
🟢Kômantera: Misy impact psychologique iainan'ireo olona ireo, ny henatra ny fiaraha-monina satria tsy voninahitra mihitsy izany hoe : ny vadiko na ny dadanay niteraka tamin'ny vehivavy hafa tany amin'ny sisiny???
❇️Ny havitro: Manana safidy roa eto ny vehivavy rehefa avy nanamarina fa namitaka azy sy nijangajanga ny vadiny ka niteraka any ivelany.
1️⃣Afaka miala izy satria lehilahy efa tsy azo itokisana izany. Efa mizara ny fony sy ny fiainany ary ny volany manomboka eo raha ankatoaviny ilay fiainany any ivelan ny mariage. Hazavaina amin ny ankizy tsara ny zavatra nataon ny Dada izay sady fandikan-dalàna no fanaovana tsinontsinona an i Mama. Raha manan-katao i Mama ka mahavelona ny zaza dia lasa. Any Amerika io dia tsy maintsy mandoa pension alimentaire i Dada fa tsy eo afa-bela. Fa ny eto amintsika dia mila viavy afaka miady amin ny tribunal sy ny sisa. Eto ilay ilàna femmes fortes sy independantes ary capables satria ho mafy ny ady. Fa ny saina kosa efa mionona satria olona tia vao sy mivadika amin ny fanekena ilay vady nantenaina.
2️⃣Afaka misafidy ijanona izy satria mila prestige na tsy te hizara fanànana na tsy te hotsarain ny fiaraha-monina. Afaka miresaka amin ilay vadiny izy mifandamina. Mety misy fifonana ao, na conditions apetraka arakaraka izay ifanarahana. Fa raha miresaka amin ilay Dada izy momba an io ka voarahona koa hoe "Batao ny entana rehefa tsy zaka fa efa io izy" na koa mahazo teny manindrona hoe "Zaranao aza zah mbola mandoa ny factures sy mody antrano fa azoko atao anie ny mijanona any amin izy mianaka e" dia lehilahy efa vonona hampitondra ny mavesatra izy zay. Tsy misy fon ny viaivy hahazaka an izany fa tsy maintsy maharary. Tsy misy saina manaiky zany hoe ilay nanao voady tamiko ity lasa itambarako amin olona. Ilay rain-janako zatra mitsena azy dahy ity zara raha hita. Ny ankizy koa manomboka mahatsikaritra fa miova ilay vie de famille. Dia eo no mila professionnel manamboatra ny saina sy fon ilay reny sy ny zanaka nilaozana. Ny psychologues no hanantonana hanampy amin ny mechanism atao miatrika ny fiovàn ny fiainana, indrindra ny ankizy. Transparence hatrany: teneno ny ankizy hoe efa lasan olona i Dada fa ny volany sisa no azontsika. Ary un jour mety tsy ho azo koa io volany io. Ataovy ekipanao vehivavy ny zanakao dia amizay tsy latsa-tokana miady irery ianao. Tsy mila mi sentir coupable fa manana safidy ianao dia izay metimety aminao no ataovy.
👍 Aza adino ny manao j'aime ny page-ntsika Rijasoa Manana an! ❤️