10/06/2026
🙏🙏🚨🛑 Mangataka VAVAKA indrindra fanampiana izay mba vitantsika na dia Kely aza Tompoko.🚨🛑🙏🙏🙏🙏
✅Malala no fahafantaran'ny olona azy, nipetraka tao Amborompotsy( mpanao volo ), STK izy sady Diakona Ary Dorkasy mpiangona ao amin'ny FJKM Amborompotsy Fiorenana.
Mangataka fanohanana amitsika ny zanany lahy izay tokana ihany moa. Hoy izy:
Miarahaba antsika rehetra,
Izaho dia RAJAONARISOA Hasina, 21 taona. Zanaka tokana aho.
Ny reniko, Ramatoa DUCASSE Veromalala, 55 taona, dia nampidirina tao amin’ny Sampana Fameloman’aina ara-pandidiana (Réanimation Chirurgicale) ao amin’ny CHU any Nantes, Frantsa, nanomboka ny 12 Mey 2026, taorian’ny lozam-pifamoivoizana nahery vaika nahazo azy ka nitaky famonjena maika tamin’ny angidimby.
Tamin’ny 09/06/2026, ny dokoterany, Dr Alexiane BLANC, dia namoaka taratasy fanamarinana ara-pitsaboana milaza fa: “ao anaty koma ary mbola ahiana ny ainy”, ary koa “ilaina maika ny fahatongavan’ny zanany eo anilany.”
Irery any izy amin’izao fotoana izao.
Tsy misy fianakaviana manampy azy any, ary tsy eo anilany aho.
Eo am-pikarakarana ny pasipaoroko amin’izao fotoana izao. Raha vao azoko izany dia tsy maintsy miainga haingana ho any Frantsa aho.
Saingy tsy manana ny enti-manana aho.
Ny tapakilan’ny fiaramanidina Antananarivo
→ Nantes dia manodidina ny 10 000 000 Ar farafahakeliny.
Mbola mila 500 000 Ar ihany koa aho ho an’ny saram-pahazoana visa, ny fitaterana ary ny sakafo any an-toerana.
Ny Ariary rehetra sy ny fizarana ity antso ity dia manampy ahy hanakaiky kokoa ny reniko.
Noho ny fanampianareo dia afaka ho eo anilan’ny reniko aho amin’izao fotoan-tsarotra lalovany izao.
Mankasitraka indrindra ny firaisankina sy ny fanohanana avy aminareo rehetra.
Hasina ❤️
🚨🛑🛑ity ny rohy ahafahatsika manampy azy:
https://www.cotizup.com/-rajaonarisoa/urgence-rejoindre-ma-maman-en-coma-au-chu-de-nantes