02/08/2024
Raha toa tsy izaho irery no tena tinao
Dia ny tsara angamba aleo mifandao
Raha misy koa sakaiza mbola mamin,' ny fonao
Afaka mandefitra aho ka hitsodrano anao
Dia ndehana re ry mamiko
Tiavo ilay ho rafiko
Lay nanitsahanao ny dinan'ny fitia
Sy namotehanao lay kinasa ho doria
Omeo azy manontolo, aza koa zinara
Sao zary maivan-danja lay fitiavana any ampara
Dia aza koa faritana na nbola asina fetra
Fa tolory azy manontolo ny aminao rehetra
Tef kl