Feon'ny Fieritreretana

Feon'ny Fieritreretana Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Feon'ny Fieritreretana, Art, Morombe.

05/01/2026

Manipuler amin'ny zavatra tsy misy dikany ho an'ny firenena daholo ny vahoaka Malagasy 😌

20/11/2025

🇲🇬MITADY ASA EN LIGNE TSY MILA INVESTISSEMENT VE😍 ??
👉 Ity misy sahaza ho anao, ✌️
👉 100% gratuit ary connexion 200ar sy téléphone anao ihany dia efa ahavitanao ny asa isan'andro🤗
❤️Koa manasa anao ary hiditra MP raha mila fanazavana fanampiny🎉

1

🇲🇬
12/11/2025

🇲🇬

A conversational AI system that listens, learns, and challenges

🔹 Araka ny Lalàm-panorenana Malagasy (Loi fondamentale de Madagascar)Voasoratra ao amin’ny Andininy faha-45 (Article 45)...
26/10/2025

🔹 Araka ny Lalàm-panorenana Malagasy (Loi fondamentale de Madagascar)

Voasoratra ao amin’ny Andininy faha-45 (Article 45) ao amin’ny Lalàm-panorenana 2010 fa :

> “Afaka mirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena ny olom-pirenena teraka Malagasy avy amin’ny ray sy reny samy Malagasy, tsy mizaka zom-pirenena vahiny, ary efapolo (40) taona fara-fahakeliny amin’ny andro firotsahana hofidiana.”

🔹 Midika izany fa :

Na dia teraka Malagasy, gasy ray gasy reny aza ilay olona, raha mbola mizaka zom-pirenena vahiny (ohatra manana pasipaoro frantsay, amerikanina, sns), tsy mahazo mirotsaka ho filoham-pirenena eto Madagasikara.

🔹 Raha te-hahazo alalana hirotsaka dia mila :

Manafoana ny zom-pirenena vahiny ananany, ka mitazona zom-pirenena Malagasy fotsiny.

Ary manaraka ireo fepetra hafa (40 taona farafahakeliny, monina eto Madagasikara 6 volana mialoha ny fifidianana, sns).

---

✅ Famintinana :
👉 Raha mizaka zom-pirenena vahiny ilay olona, tsy afaka mirotsaka ho fidiana ho Filoham-pirenena Malagasy, na dia teraka gasy ray gasy reny aza.

✌️😋
26/10/2025

✌️😋

24/10/2025

Mazava be fa afaka mirotsaka ho fidiana amin'ny kandida ho filoham-pirenena any Frantsa izao i Andry Rajoelina, ary raha manaraka azy any daholo amizay ireto forongony sy mpanohana azy ireto hiaraka hizara koveta sy jiron'akoho, vola 5000ar, vary masaka sy vary tsinjo, tosika fameno sy ny sisa rehetra iny fa maha be fako ny tanàna fotsiny ✌️🤧

22/10/2025

Un grand merci à mes nouveaux followers ! Mamiratra Fitia, ZoAina Rakoto

21/10/2025
20/10/2025
🌊 Ny tantaran’i José Salvador Alvarenga, ilay lehilahy very an-dranomasina nandritra ny 438 androJosé Salvador Alvarenga...
20/10/2025

🌊 Ny tantaran’i José Salvador Alvarenga, ilay lehilahy very an-dranomasina nandritra ny 438 andro

José Salvador Alvarenga dia mpanjono avy any El Salvador, nipetraka tany Meksika. Tamin’ny volana Novambra 2012, dia nandeha an-dranomasina niaraka tamin’ny tovolahy kely iray 22 taona izy, hanao dia fohy indroa andro hihazana trondro. Nampiasa sambo kely mirefy 7 metatra izy ireo, tsy nisy efitra, afa-tsy sakafo kely sy fitaovana fanjonoana.

Nefa tampoka teo dia nisy tafio-drivotra mahery niseho. Nanimba ny motera sy ny fitaovana fitari-dalana ny rivotra sy ny onja. Dia resin’ny ranomasina ka niala lavitra tany amin’ny ranomasimbe Pasifika ny sambo.

Nandeha ny andro. Maty ny tovolahy niaraka taminy rehefa afaka herinandro maromaro, noho ny hanoanana sy ny fahakiviana.
Fa i Alvarenga kosa tsy nanaiky ho resy. Tafavoaka velona izy tamin’ny fisotroana ny rany, ny fihinanana trondro manta, vorona, ary na sokatra aza. Nampiasa tavoahangy plastika izy haka rano avy amin’ny orana, ary nisaron-doha tamin’ny lamba mba hiarovana amin’ny masoandro.

Nandritra ny 14 volana dia nitety ranomasimbe irery izy, tsy nisy motera, tsy nisy sarintany, tsy nisy fanantenana — niampita manodidina ny 10 000 kilometatra teo ho eo tamin’ny ranomasina Pasifika.

Tamin’ny volana Janoary 2014, dia tafaroboka tamin’ny nosy kely iray ao amin’ny Nosy Marshall ny sambony. Tena reraka izy, volo lava, hoditra may amin’ny masoandro, nefa hitan’ny mponina iray.
Tsy nampoizina — velona izy.

Nohamarinin’ny manampahefana sy ny manampahaizana momba ny fitsidihana an-dranomasina ny tantarany: tena izy tokoa no iray amin’ireo tranga fivelomana ela indrindra an-dranomasina teo amin’ny tantaran’olombelona.

Araho ny pejy 🤗

14/10/2025

Aoka ho matotra ny fitantanana ny firenena fa tsy fihetsiketsehana sy spectacle isakin'ny mihetsika no hamokisana ny vahoaka ✊🇲🇬

14/10/2025

✔️Hamafisina ny tsy maintsy hampidirana an-tsekoly ny zaza Malagasy🇲🇬

✔️Esorina ny programa-mpampianarana izay tokony tsy ilaina sy tsy manaraka ny vanim-potoana ankehitriny intsony✊

✔️Omena lanja any an-tsekoly ny kolontsaina maha Malagasy rehetra🇲🇬

✔️ Andrianiko ny teniko, ny an'ny hafa koa feheziko, mazava be fa amizao fotoana dia ilaina amin'ny sehetr'asa maro ny teny vahiny😉

✔️Ataovy laharam-pamehana ny fampianarana sy ny kolontsaina Malagasy 🇲🇬

Address

Morombe

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Feon'ny Fieritreretana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category