21/03/2026
Faha :53🥰. Araho hatrany 🇲🇬🤍❤
. Ny fefiparinao .
Tsy aritrin'ny vatako ny fofon'ilay izy.
Na mbola avy alavitra izay no milalao.Dia..!
Mijohy ny rara_kivy .Ka...!
Manaitra ny hatako . iteny hoe " kiah oh , izahay mba izarao."
Izahay zatovo maimaitenda avy nikirimba.
Dia velompaniriana maheno ny fofom_pary fefinao . Ka
Mitakoritsika hoe , sao mba misy simba .Na ...!
Loho ny fotiny ao.
( ka sao misy anampina)
Tsy azo homena fotsiny hoy i kiala fa
Râha tia hinana mividy.
Fa io feno rano toy ny fantsona.ka sady varotra no adidy .
( sady fefy no sakafo )
Izahay anefa tsy andidy dia anapaka .Fa...!
Anao ny tana_miepaka isanandro manadio .
Izahay no samy velon'hataka .
Ka tonga eto ary ankitrio.
( fa tsy aritra hintsony )
Everiko fa fahendrena izao ataonay zao.
Tsy faikamboty hanery fa sendra mba nanadalo. No ...!
Nisontomin'ny fofom_parinao. Ka anefa tsy misy na mangahazo atao takalo.
( nefa mai_tenda ka nivily )
Tsy hivahiny ela anefa izahay ry tompom_pary .Fa..!
Mandalo fotsiny iany .
Ka aza matahotra hoe .Hanimba tokotany . Fa toy ny tantely naka mamy
( mandalo fotsiny iany )
Ny féfi_parinao mampitelindrora izay tsy izy .
Izahay anefa tsy mba manambola tsy mba afaka ny ividy.
Ny any azo atao dia ny manampy anao mikatsana.
Ka eo ampiresahana no lasa velon'hataka .
Akon'ny Riana 🪶🇲🇨🇲🇬
Mirarisoa hatrany 🙏🏻🇲🇬🥰