MI SAINA

MI SAINA Mpanoratra Tononkalo :
Izay Tononkalo mivoaka ato dia nosoratan'i MI SAINA avokoa ๐Ÿ’Œ
(1)

08/07/2026

IZA AVY NO TSY MBOLA
NAHITA AN'ILAY VIDEO
TONONKALO VAO2 ๐Ÿ’—

08/07/2026

แด›แดษดแดษดแด‹แด€สŸแด แดษชา“แด€แดแด€สŸส โค๏ธ
๐Ÿ…๐Ÿ…๐Ÿ…ฃ๐Ÿ…ข๐Ÿ… ๐Ÿ…ฃ๐Ÿ…ž๐Ÿ…๐Ÿ…ž๐Ÿ…๐Ÿ…š๐Ÿ…๐Ÿ…›๐Ÿ…ž
: Antsa Razafiarivonjy & MI SAINA
: MI SAINA

" NITIA DIA MBOLA TIA... "Nitia anao ny fokoNekeko ny hadisoakoNandrava ireo toloko dia...Moa tsy niovaova lokoNanaiky a...
08/07/2026

" NITIA DIA MBOLA TIA... "
Nitia anao ny foko
Nekeko ny hadisoako
Nandrava ireo toloko dia...
Moa tsy niovaova loko

Nanaiky anao ny saiko
Nitia fa tena tsy aiko
Fa ny hany mba lazaiko dia...
Izay safidinao no hajaiko

Tsy reraka aho satria
Tsy handratra sanatria
Fa maniry ilay Fitia dia...
Ho mandrakizay doria

Mbola eto aho izao
Hitia sy tia anao
Amin'izao rehetra izao dia...
Tsy avelako handao

Henoko any ho any
Ilay feo te hanontany
Hoe roviana ihany ?
Izany ho vadinao izany

Dia hoy aho hoe, miandrasa kely fotsiny, tsy maintsy ho halaiko vady ianao โค๏ธ

MI SAINA

08/07/2026

MITANDREMA DAHOLO โ€ผ๏ธ
Ity Tovovavy ity Nisy olona nikitika dia torana tsy nahatsiaro Tena... ๐Ÿ’”๐Ÿฅบ

Partageo Max ๐Ÿ’”๐Ÿ˜ข๐Ÿ™

IO FITIAVANA IO RANKIZY...Nahoana dia nihevitra ny hanao tsy fanao ?Angaha tsy hoe fitiavana no hitiavana anareo ?Nahoan...
08/07/2026

IO FITIAVANA IO RANKIZY...
Nahoana dia nihevitra ny hanao tsy fanao ?
Angaha tsy hoe fitiavana no hitiavana anareo ?
Nahoana re nandratra an'i Neny toy izao dia...
Namela azy hijaly anaty ratra sy toreo

Hekena hoe mitia fa ny tia tsy mampijaly
Izao mihitsy ve ilay tanjona niriana hatramin'izay ?
Nareo izao raha maheno dia mba afaka namaly hoe...
Nanenina izahay, tahakizay sy tahakizay

Rankizy ah

Mahazo tena tia nefa koa ataovy an-tsaina
Tsy safidy samy irery ilay fitiavana ho anjara
Ny Ray sy Reny izay niteraka niantso hoe sombinaina no...
Navelanareo hiaina ao anatina tantara

Nofy ratsy Nareo roa...

MI SAINA ๐Ÿ–ค

Coucou ry Sipaakamako isany โค๏ธ๐Ÿ˜…
07/07/2026

Coucou ry Sipa
akamako isany โค๏ธ๐Ÿ˜…

07/07/2026

MANAOVA COUCOU
IZAY MIANDRY VIDEO
TONONKALO โค๏ธ๐Ÿฅบ

07/07/2026

Handramo Kely anie ๐Ÿ’”๐Ÿฅบ
Efa nandramanao ve izany ?
: MI SAINA
: MI SAINA

" RAOZY KELY MISY TSILO... "Mamy ianao jerenaKanto mahonena Nefa mahasorena dia...Miseho mahavita TenaSarotra tenenina.....
07/07/2026

" RAOZY KELY MISY TSILO... "
Mamy ianao jerena
Kanto mahonena
Nefa mahasorena dia...
Miseho mahavita Tena

Sarotra tenenina...

Saingy Olon-tiana ianao
Moa mahitahita atao
Amin'izao rehetra izao dia...
Tsy menatra ny handao

Be saina loatra mihitsy...

Ny Tiana ve tsy hiafina
Fa rehefa fanahy iniana
Manampy ny hakiviana dia...
Aleo tsy rarahina

Mody harahana fotsiny eny...

Reraka ny Foko
Aiko ny hadisoako
Feno vesatra toloko fa...
Tsy avelako hiova loko

Ny Foko tia anao...

Nosoratan'i Poeta Kelinay ๐Ÿ–ค

Address

Madagascar
Mahamasina
101

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when MI SAINA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category