Ombre de la plume

Ombre de la plume Bonjour tout le monde , Ombre de la Plume est un poète Slameur de la belle ville de Majunga .

Be tsikitsiky, Tia vazivazy ...Tsy de tia maka lagy ...Tsotsotra fitafy ...Mahay mankafy fiainana ...Tia ambiance ...Mah...
19/08/2025

Be tsikitsiky,
Tia vazivazy ...
Tsy de tia maka lagy ...
Tsotsotra fitafy ...
Mahay mankafy fiainana ...
Tia ambiance ...
Mahalala tsy tiana ...
Nefa koa tsy mitomany ho tiavina
Mahay vava ...
Ary misy toetra ...

Plume - Sakafom-panahy 😁

04/06/2025

Zah sy anao ve ?
Tsy voasarakan'ny elan'elan-tany
Zay misy ahy dia misy anao
Na amakivaky ny route nationale aza,
De eny foana zah sy anao !
Anao ilay tokiko ,
Ilay efa nanaovako voady hatramin'izay!
Hatramin'izay ka hatramin'izao,
De mbola ianao foana ilay dokotera ny foko,
Mpikolokolo ny fanahiko ...
Ntsika sy ianao tohin'ny rano sy vary
Tsy misy androany hifanary !
Fa vao may aza mifanohana ,
Nalalako anao ?
Nahaizako natoky tena , nitraka foana raha sendra olana , mandroso foana na feno tohatohana aza ny lalana...
Ny amin-tsika roa ...
Tsy ho ravan'ny vavan'ireo mpakahala
Vao may mafy o***a ...
Fitiavaka anao oa ?
Mihamitombo otrany taona ...
Ka na mivadibadika otrany kodiaran-tsarety aza ny fiainana ...
Zah sy anao ve?
Efa otrany kirarao sy pointure !
Zay toerana rehetra misy ahy ...
De misy anao ihany koa ...
Anao ilay alokako faharoa!
Manampy ahy foana raha sendra ady ...
Mampahery raha sendra alahelo ..
Misy anao zah mahery ...
Zah sy anao ve !
Hafa mihitsy ...
Anao ilay zava-madomelina fantatro voalohany
Zay tadivin'ny saiko foana ...
Satria nampanonofy ahy isanandro , isan'ora
Vao tsy mihirahira ny anaranao ny molotro
Tsy mety mihitsy ny saina ...
Ndraindray aza zah tairinao amin'ny andro sasakalina ...
Zay ilay nampiavaka ny tantara ntsika roa tena marina

Zah sy anao ve ?

de la Plume
18/10/2024
23h12

21/03/2025

ZAH SY POEZIA
tohin'ny rano sy vary, tsy mba mifanary fa mifameno

Izy ilay nikolo ny saikoIzy ilay nandoko ny tontolo misy ahy Izy ilay namafa ny alahelikoIzy ilay nampiainga ny fanahy ....
15/10/2024

Izy ilay nikolo ny saiko
Izy ilay nandoko ny tontolo misy ahy
Izy ilay namafa ny alaheliko
Izy ilay nampiainga ny fanahy ...

Izy ilay teo foana
Izy ilay tsy mety maty ato am-poko
Izy ilay mahatongy ahy mijoro foana
Izy ilay mampatanjaka ny saiko

Izy ilay tsy nitambarako amin'ny hafa
Izy ilay nampiavaka ahy foana
Izy ilay pozina hoan'ny hafa...
Izy ilay fanafody ny foko, izay miaraka amiko foana

Izy ve??
Izy no iza??

👊

StandUp- LetsDoIT ✊Eh! Mifohaza ...Sahy mijoro raha mbola tanora Manana vina f'aza varina mirendrarendra Tratraro ny tan...
30/09/2024

StandUp- LetsDoIT ✊

Eh! Mifohaza ...
Sahy mijoro raha mbola tanora
Manana vina f'aza varina mirendrarendra
Tratraro ny tanjonao f'aza avala ho nofy ...
Aleveno ao an-tsainy fa na mafy otrany ahoana aza ny ondra ndranomasina fa anao mafy ...
Ka ndao hiroso ...
Ndao hanoratra tantara ...
Ho hitan'izao tontolo izao fa isika rehetra izao...
Isika ilay tanora vanona , hitondra fanovana
Nateraka ho mpitarika fa tsy ho taritana lava

Eh ! Mifohaza
Esory ny akamoana ...
Fa tsy mampandroso ...
Manana saina tia karokaroka
Fa ilay toloram-potsiny tsy mampivoatra ...
Tanora manana vina ...ho reharehan'ny fianakaviana , hitondra avon'ny firenena ...maleho miatrika ny olana rehetra
Zay no tanjona tratrarina ..
Ka mifohaza ry tanora ...

-LetsDoIT✊

 -Challenge 2K24 " Nofy sisa " Zary Nofy sisa tavela ...Ilay nosy maintso fahiny ...F'efa nosy mena ankehitriny...Ka kar...
10/09/2024

-Challenge 2K24

" Nofy sisa "

Zary Nofy sisa tavela ...
Ilay nosy maintso fahiny ...
F'efa nosy mena ankehitriny...

Ka karakaina tany ...
Ritra ny rano ...
Miovaova ny maripahana ...
Beky manitsy, beky mafana
De mbola tsy mety tonga saina ...
Fa dia faly mandoro ...
Manjora miantsilany ...


10 Septembre 2024 -Mahajanga 401

Ampianaro azyAmpianaro azy ilay fifanajana Ampiafantaro azy ny atao hoe love and peace .Aza tezerana izy raha sendra dis...
27/08/2024

Ampianaro azy

Ampianaro azy ilay fifanajana
Ampiafantaro azy ny atao hoe love and peace .
Aza tezerana izy raha sendra diso famindra
Fa teneno moramora fotsiny !

Hezaho averina ilay tsiky nafataranao azy fahiny
Avereno ao aminy indray ilay fahendrena
Ampianaro azy fa tsy olon-drehetra , mahazaka ny adalany ...
Ampiafantaro azy ...
Fa tsy milay ilay mifandrangitra lava ...

Tairo kôzio aminy ...
Raha sendra diso de mba mahaiza manao azafady ...
Raha sendra misy mampianatra sy mizara , de mahaiza mankasitraka
Tsy misy tsara ny mifankatia

Ka tairo ,
Aza tezerana izy raha sendra manao adalana
Ny olombelona mety ho solafaka koa ndraindray
Sady tsy misy koa ny tonga lafatra ...

Tairo voleo ao an-tsainy ,
Ataovy izay hatratrarana ny tanjona,
Fa aza variana mifanina amin'ny hafa !

-Sorry🙏

Zah ve !Bandy tia vazivazy Tia mivazovazo ndraindray , na tsy manana feo volamena aza !Akotran'ny penina sy taratasy Dia...
25/08/2024

Zah ve !
Bandy tia vazivazy
Tia mivazovazo ndraindray , na tsy manana feo volamena aza !

Akotran'ny penina sy taratasy
Dia ny natiora no anisan'ny akamako
Ka zay manimbazimba azy , de ho raisiko fahavaliko !

Tsy voatery mitatasika foana Fa ilaina koa ndraindray ny fanginana Ka nisafidy aho androany ...Analafivitra an'ireo taba...
22/08/2024

Tsy voatery mitatasika foana
Fa ilaina koa ndraindray ny fanginana
Ka nisafidy aho androany ...
Analafivitra an'ireo tabataba sy ireo sehatra malalaka isan-karazany...
Satria fanginana sy filaminana izao no tadiaviko !

Fa aza matahotra ...
Tsy maninona akory aho ...
Fa mila fanginana fotsiny ...

Silence !!!Mangina , Aza tomany intsony ,Fafao ny ranomaso , Tonoy ny fo... Avelao izy andeh , Aza hiasana saina akory ,...
10/04/2024

Silence !!!

Mangina ,
Aza tomany intsony ,
Fafao ny ranomaso ,
Tonoy ny fo...

Avelao izy andeh ,
Aza hiasana saina akory ,
Safidy ny azy ...
Fa tsy fadisoanao akory ,

Ka mangina ,
De fafao ilay ranomaso ,
Aza mitanondrika zany ,
Tsy mbola izy angamba ilay anjaranao

Ilay rahona mainty
Soloy masoandro mibalika
Ilay ranomaso ...
Soloy ranomainty ...
Sorato ny tantaranao ,
Aza manaiky resin'ny fitiavana !

Nanoratra satria :-mba te amoaka ny ao an-tsaina sy ny ao am-po !-mba te hanasitrana an'ilay ratra tsy hita fery !-mba t...
08/04/2024

Nanoratra satria :
-mba te amoaka ny ao an-tsaina sy ny ao am-po !
-mba te hanasitrana an'ilay ratra tsy hita fery !
-mba te hanamaivana an'ireo olana , izay efa mameno ny atidoha
-mba te hizara tsiky amin'ireo manodidina ,
-mba hanalana sorisory , ho solon'ny taoka sy sigara ,
- io no fanafody nahafako nihaina ao anatin'ny tontolo feno filaminana .
-fa tsy hoe nanoratra dia hiady ho any amin'ny Slam Nationale .

-je ne suis qu'un poète slameur par accidents !

Address

Mahajanga
Mahajanga

Telephone

+261343530542

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ombre de la plume posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category