NY KALO

NY KALO Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from NY KALO, Poet, Imerintsiatosika.

Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!Izato fihetsiketsika...
31/05/2025

Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny!

Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!

Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely - toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady!

Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!

Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody:
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana:
Ankizilahy sy ankizivavy, amin'ny tena fisandratana,
Miova tsy mpivady amin'izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombantombany.

Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika!

Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao
Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.

Malagasy mankany .... Randja Zanamihoatra

Address

Imerintsiatosika

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NY KALO posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category