16/04/2026
FANOLANANA VEHIVAVY LEHIBE MANAN-KILEMA. NOSAMBORINA NY NAHAVANON-DOZA, HATOLOTRA NY FITSARANA.
♦️Vehivavy lehibe, zokiolona, 64 taona, sady manana fahasembanana no niharan’ny fanolanana nataon’ny lehilahy iray 28 taona.
♦️Raha mba nivoaka kely hanatanja-tena noho ny kilema mahazo azy izy no hamangy fianakaviana dia narahin’ity lehilahy ity ka noterena ho any amin’ny toerana mangina, ary norahonany ka tsy afa-niaro tena.
♦️Nanamparany ny filàny ilay vaviantitra ka naolany tamin’ny fomba feno habibiana tsy misy indrafò. Simba tanteraka ny taovam-pananahany ary voatery niditra hopitaly, nizaitra sy nanaraka fitsaboana. Nitondra takaitra noho izany ny tenany.
👮 Nanatona ny biraon'ny Zandarimaria izy taty aoriana nametraka fitarainana noho ny nahazo azy.
♦️Nosamborina ny nahavanon-doza izay olona mpiara-monina ihany.
💰 Mbola nitady fomba hanaovana raharaham-pihavanana ihany saingy tsy neken'ny mpanao famotorana. Notambaziny ny mpitory azy mba hanatsoaka fitoriana. Fa tsy nilefitra.
⚖️ Hatolotra ny Fitsarana ny raharaha aorian’ny famotorana.