28/09/2026
ASF MOOC CAMP program
Efa naheno izany MOOC na MOOC Camp izany ve ianao?
Fantatrao ve fa afaka mianatra teny Anglisy matihanina avy amin'ny oniversite any Etazonia amin'ny alalan'ny MOOC ianao?
Manasa anao izahay hanatrika ny fampafantarana ny programa ASF MOOC Camp izay hafantaranao misimisy kokoa ny atao hoe MOOC, ireo fianarana teny Anglisy matihanina azonao atao, ary ny fomba fandraisana anjara amin'ny MOOC Camp hatao ato amin'ny American Space.
Ireto avy ireo MOOC azonao hatao:
1- English for Career Development ( Anglais ampiasaina amin'ny fitadiavana asa)
2- English for Tourism Professional ( Anglais ampiasaina amin'ny fizahan-tany)
3- English for Business and Entrepreneurship ( Anglais ampiasaina amin'ny Fandraharahana)
Alakamisy 01 Oct 2026 - 1:00 - 3:00 ora tolakandro.
Ato amin'ny American Space Fianarantsoa.
Raha liana ianao dia soraty ao amin' ny commentaire ny " ASF MOOC Camp" ary mandefasa hafatra miafina "anarana feno + MOOC camp + num Whatsapp" voafetra ny toerana ka izay 30 misoratra anarana voalohany no ho raisina.