Best Moments

Best Moments Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Best Moments, Party Entertainment Service, Fenoarivo Atsinanana.

🌻Services événementiels
🎁 CADEAUX SURPRISES
❤️ Amour 💞
☎️ +261 34 04 449 18 / +261 34 43 484 83
WhatsApp : 034 43 484 83

🛞 FENERIVE-EST 🛞 VAVATENINA 🛞 SOANIERANA - IVONGO

"L'art de surprendre, la joie d'offrir"

✨Livraison taty Ambodiforaha Mahambo 💓Nitondra hafatra mamy ho firariantsoa hoan'ilay Ray ireo zanaka sady nanolotra fag...
23/06/2026

✨Livraison taty Ambodiforaha Mahambo

💓Nitondra hafatra mamy ho firariantsoa hoan'ilay Ray ireo zanaka sady nanolotra fagnomezagna vokatry ny fo ho fahatsiarovana💖

💌Ireto no hafatra avy taminjareo

💕Papa, misaotra zagnahary zahay managna ray karaha anao . Nikolokolo, nikarakara sady nagnabe anao ary agnisan'ny ray tsy ni-abandonne tamin'ny fitahizagna anay. Ko tsy anao zahay a papa tsy tonga tamin'ny toeragna misy zahay zao kay misaotra betsaka a papa ai.💌

💕Ary aza mbola kivy aminay anao fo mbola mitady zahay zanakanao ai. Aza miasa loha amin'ny raha maro papa fo mbola hampiadaninay anareo sy mama.
Kay aketo zahay mirary ny tokantragnonare ho tahin-jagnahary, ho lavitry ny ady, karaha fitiavagna garana, antitry vao maika mamy, ho lava andro iaignana , hisoma zafy ho somainjafy, ho lavitry aretigny.💌

💕Tsofy rano zahay zanakanao mbo ho tonga aminay zay rehetra hirinareo aminay zanakareo.💌

💕Gros bisous , avy tamin'ny zanakanao💌

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

✨FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨🫂💖Taty Anjoban'ny Ampasipotsy Fenerive-Est 🥰❣️Miara- miombogno amin'ny fankalazagna ny...
21/06/2026

✨FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨

🫂💖Taty Anjoban'ny Ampasipotsy Fenerive-Est

🥰❣️Miara- miombogno amin'ny fankalazagna ny fetin'ny Ray ireo zanaka amin-tahiza ka nitondra teny mamy sy fagnomezagna vokatry ny fo hoan'ilay Papa teo fogna hoan'ny zareo tamin'ny fagnabeazagna sy ny sisa.

Ireto no hafatra avy tamin'ny mpanolotra 💓 💌
Papa💖💖💖

💖 Nohon’ny izao fêtes des pères igniany izao, dia faly miarahaba sy manolotra mariky na cadeau hely ho anaa izahay zanakanao. Tsy betsaka izio fô atolotra amim-pitiavagna, hientinay isaoragna anao tamin’ny soa jiaby vitanao taminay papa. Anao ilay papa takeo foagna ho anay, tsy nilefa adidy fô nitahiza tamin’ny fitiavagna. 💌

💖 Na mafy aza ny fiainagna, na maro aza ny raha mandalo, anao tsy nitaraigny tagna-miempaka fa nandray andraikitra amin’ny maha Ray anao. Amin’ny maha raim-pianakaviagna anao, dia tsy môra ny lalagna nimboanao. Kanefa, tsapôla nisy eky andro nahitanay anao kivy fô mijoro lalandava nohon’ny fitiavagna anay. 💌

💖 Kay isaoranay betsaka anao papa ay. Misaotranao nahabe sy nikolokolo ary nagnatra anay tamin’ny fiainagnanay. Misaotranao takeo foagna, na tamin’ny tsara, na tamin’ny sarotra. 💌

💖 Tianay ho tsapanao papa fô, na dia tsy voalazanay matetiky aza, dia tianay anao, ary mahasambatra anay ny fanagnagna baba karaha anao. Eto zahay dia mirary ana ho ela velogno, hahaita ny fahombiazanay, arovan-Jagnahary, tsy arofy, kay ho feno fahasoavagna ny fiainagnanao isan’andro. 💌

Mirary fety sambatra papa 🎉🎉🎉
21 06 2026🎁🎁🎁

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

✨ FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨Taty Soanierana Ivongo 🫂🥰Mahatsiaro azy ilay zanany vavy agny an-tany lavitry amin'iz...
21/06/2026

✨ FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨

Taty Soanierana Ivongo

🫂🥰Mahatsiaro azy ilay zanany vavy agny an-tany lavitry amin'izao fankalazagna manokagna ny fetin'ny Ray izao

💌✨Ireto no hafatra avy tamin'ny mpanolotra

Tratrin’ny fetin’ny Ray, papako💖💖💖

💖 Amin’izao andro manôkagna ho an’ny fetin’ny Ray igniany tô, dia miarahaba anao zahay zanakanao. Igniany dia tianay ho fantanao fô tianay anao, na dia tsy dia lazainay matetika aminao aza i raha zegny. Papa, managna toerana lehibe ao am-pônay anao. Misaotranao nisy, fô raha tsy takeo anao de tsy nisy zahay. 💌

💖 Eto dia mirary fahasalamagna, fiadanagna, hery ary fahasambaragna ho anao zahay zanakanao. Enga anie ny fiainagna iaignanao izao, mba hitôndra fitahiagna sy fifaliagna maro ho anao isan’andro. 💌

💖 Misy teny kely tianay hambara aminao ihany koa amin-kitsimpo sy amim-panajana, zay magnano hoe : sarobidy amin’ny zanakanao ny fitiavanao, ny fotoagnanao ary ny fiheveranao azy ireo. Indraindray dia teny mamy, antso fohy, na fihetsika tsotra fotsiny no ampy hampahatsapa azy ireo fa tiana sy tsy hadino. Papa, tianay anao.💌

Tratry ny Fetin’ny Ray de mirary ny soa rehetra ho anao 🎉🎉🎉
Avy amin’ny zanakao 💖💖💖
21 06 2026🎁🎁🎁

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

✨FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨😊🥰Taty Analangavo Ampasipotsy Fenerive-Est no nanombohanay ny livraison ny fizaram-pit...
21/06/2026

✨FANKALAZANA NY FETIN'NY RAY 2026✨

😊🥰Taty Analangavo Ampasipotsy Fenerive-Est no nanombohanay ny livraison ny fizaram-pitiavagna

💌Ireto no hafatra tagnatiny

Baba 💖💖💖

💖 Andron’ny baba jiaby igniany, kay tsaroagna anao babanay ay, lalahy mahery. Tsaroanay anao igniany satria baba managna ny mahay anao anao, tsy miala andraikitry ary nahatombo zahay sambaha tagnatin’ny jaly. Anao lay baba tsy mahay mody avy agnatiala koa tsy efa giko andro satria namelom-bady aman-janaka. 💌

💖 I Baba raiky miambigny aomby foagna isan’andro, tsisy mpandimby satria nasainao nandeha nianatra zahay tokony handimby anao. Efa ataonolo koragna hoe mantsigny tain'aomby , fô avalinao ananjy hoe : " Taimbôla kony izy tô ay, ary tsy aombinôlo fa nihinahy". Anao le takeo foagna herin’ny mama, nakôla havay nilanja vatsy, napoaka angôfo mandeha tongotro avy ambanivôlo nandeha ta Fenerivo tamin’ny zahay nianatra. 💌

💖 Efa hainôlo amin’ny lalagna mandeha Môrondrano mitsôfoko Mahatsara igny anao, misaverivery mitatitry vatsinay mianatra. Avaïzo ndraika efa mahay anao aby olo mpivarotro m**o akondro sy mangahazo satria anao mpalaka hoditry akondro sy mangahazo regny amiagna ahomby jusqu'à Bazary agny. Tsary nanagnanareo hegnamaso fikarakaragna zahay baba. 💌

💖 Kay igniany mahatsiaro fandraisanao andraikitry zahay baba ay, kay magnamia mariky ay, mbola tsy be fa mbola mitady ny mahatsara ny zanakanao ay, fantatra fa tsy ahavoavidy ny vitanao fa santatra ambavarano baba ay, mbôla ho avy sôsony, kay raiso ampitiavagna. 💌

💖 Misaotra tsy kivy nagnanatra, sambaha naditry ery zanakanao sasantsasany fa tsapanay ny fitiavanao zahay mianadahy mianaka aby. Anjaran’ny mama tamin’ny faravolagna teo igny, fô anjaranao ndraika igniany. 💌

Ampitiavagna baba ay 🎉🎉🎉
Ho ela velogno anao mba ahafahanay hamaly babiagna @ hely vitanay💖💖💖
21 06 2026🎁🎁🎁

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

20/06/2026

🥰❣️Ny fandalovanay tagny Foulpointe

🌹Ranomasom-pifaliana avy hatrany vao nahita anay

✨Mirary soa e

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

20/06/2026

Amaregny sahady defa fête des Pères.
Mbô efa niova amle mahazatra edy cadeau akao zay vo?😁

💌Hoan'ilay Reny malalaHeureux anniversaire Maman ❣️ 💕Mama💖 💖 💖💕 Na dia atô antany lavitry atô aza zahay roa vavy, dia ts...
19/06/2026

💌Hoan'ilay Reny malala

Heureux anniversaire Maman ❣️

💕Mama💖 💖 💖
💕 Na dia atô antany lavitry atô aza zahay roa vavy, dia tsy magnadigno anao velively satria anao no naha toy izao anay. Koa ny vitanao taminay zay edy no zahagna, dia sahinay ny mivôlagna hoe agnisan’ny Reny mendriky sy tia zanaka anao. Ary tegna azontegna onogno edy fô tsy ho voavalinay ny tsara vitanao taminay zay, ary tsy manam-paharoa ny Reny karaha anao. 💌

💕 Tsy môra nitahiza anay fito mirahavavy, kanefa vitanao a mama satria mahery anao. Ary tegna tsapanay fô tsy ahaizanao andro na aligny ny fitadiavagna ny raha mahasoa anay fito mirahavavy. Tsaroako tsarabe a mama, tamin’ny andro narignesako zaho hiasa antany lavitry atô, faly sahiragna. Kanefa tsy nataonao sakagna, fô nataonao tsara tso-drano zaho, no sady nataonao fomba jiaby nahitanao vôla handihanako atô, satria tianao mafy ny mahita zanaka tafita. 💌

💕 Kay zegny a mama no antony agnanovanay mariky hely igniany tô ay. Fetinao igniany, kay faly zahay zanakanao manolotra fagnomezagna hely ho anao, ho mariky ny fankasitrahagna sy fisaoragna iregny raha vitanao jiaby regny. Kay misaotra a mama ay. 💌

💕 Tsy be izio a mama, kanefa atolotra amim-pitiavagna. Tsy mahavaly velively ny vitanao taminay fô mba entinay hamalifaliagna anao. Mirary fety sambatra ho anao zahay a mama, kay ano lava velogno anao.💌
Encore joyeux anniversaire maman 🎉 🎉 🎉
19 06 2026🎁🎁🎁

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

🔥Parce que je suis un Père, chaque sourire de mes enfants est ma plus grande récompense.Best Moments -2
19/06/2026

🔥Parce que je suis un Père, chaque sourire de mes enfants est ma plus grande récompense.

Best Moments

-2

🥰🎂Nohon'ny fitsingerenan'ny vanin'andro nahaterahan'ilay zanany vavy dia nagnamarika izany izy mba hampiavaka an'ity and...
18/06/2026

🥰🎂Nohon'ny fitsingerenan'ny vanin'andro nahaterahan'ilay zanany vavy dia nagnamarika izany izy mba hampiavaka an'ity andro niany ity

💌➡️Ireto no hafatra mamy avy tamin'ny mpanolotra

A toi ma fille adorée 💖💖💖

❤️Aujourd’hui, tu fêtes tes 17 ans, et mon cœur déborde tant d’émotions. J’ai l’impression que c’était hier que je te tenais dans mes bras pour la première fois, émerveillée par ce petit être qui allait changer ma vie à jamais. Depuis ce jour, tu as grandi, appris, et tu es devenue une jeune femme dont je suis infiniment fière💌.

❤️ Ma fille, sache que, quoi qu’il arrive, tu pourras toujours compter sur moi. Je serai toujours là pour t’encourager dans tes réussites, te soutenir dans tes difficultés et t’aimer sans condition. Tu es l’un des plus beaux cadeaux que la vie m’ait offerts. Bien que tu as grandis, mais tu restes la petite fille à maman. Ma fille, grâce à toi, je suis devenue une meilleure personne, forte, courageuse et motivée. 💌

❤️ Donc, n’aie jamais peur de poursuivre tes rêves, de défendre tes valeurs et de devenir la personne que tu souhaites être. Car je te promets que maman est toujours là pour toi pour t’aider à laisser une empreinte magnifique à ce vaste monde. Mon trésor, que cette nouvelle année de ta vie soit remplie de joie, d’amour, et de bons moments inoubliables.💌

❤️ Zanako, tiako ho tsapanao igniany fô tsisy andro tsy hitiavako anao. Fahignako anao zanako, kay itiaviko, ahitsiko amin’ny lalagna tsara, ary beaziko amin’ny fô madio.💌

Encore heureux anniversaire ma fille chérie🎉🎉🎉
Ta maman qui t’aime infiniment 💕 💕 💕
18 06 2026🎁🎁🎁

Best Moments
L'art de surprendre, la joie d'offrir

Address

Fenoarivo Atsinanana
509

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Best Moments posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share