30/06/2026
Ho nofy ve?
De ho nofy ihiany ve? Ny hiraisantsika roa,
Kanto loatra mantsy se, ka sao andratra an’ity fo,
Ho zakako ve ny hahita anao, Tsy hisafo ny takolako,
Hatrizay ka hatrizao, toa enao no voasoratro,
Tsara bika, tsara endrika, misolomaso lava volo,
Te hihita aho fa sao rendrika ka ho ateliny tontolo
Tovovavy iray sarika, toa mangatamaso kely,
Tsara fomba tsara bika, moa enao ve no anjely,
Ny fitsikiny ange jereo, tiko ho andramana ny molony,
Soa loatra manga feo, tsotra kely atraminy volony,
Ny azoko atao dia manonofy satria anazy ny safidy,
Fa raha ny satriko dia ny hihoty, ny fitiavany tsy mangidy,
Maro loa ny vehivavy ah, fa izy no tiko ho ahy,
Ka na ho hahy izaho na ho hatavy dia efa voky ny fanahy,
Te hiantso ity foko, nefa ny molotro toa mihaotra,
Io ilay mamiko tsy foko, indrisy fa sembaniny tahotra,
RAZANAJATOVO Tsirinala Hervé 13/01/25
Araho hatrany ny pejy-tsika
kitio ilay hoe io ambony io ⬆️⬆️⬆️