09/04/2026
Miarahaba an' ANDRIAMANALINA Ni Avatsa , mankalaza ny tsingerintaona nahaterahany androany.
Ni Avatsa dia anisan'ireo vato fototry ny Akanga Tsara Soratra, niara-namadika bainga ho an'ny haisoratra ary teo foana niara-niombonana tamin'ny ekipa rehetra fa tsy niala na tamin'ny mora na tamin'ny sarotra.
Miavaka tena miavaka ny fomba fanoratany ary tsy takatry ny saina kamo mikaroka, manaporofo ny fahaizany miangaly ny poezia sy ny fahaizany voambolana ny endriky ny sorany. Harena lehibe ho an'ny literatioran'ny vanimpotoana ankehitriny ny talenta n'i Avatsa.
Mirary fahombiazana feno ho azy ary ho ampoky ny tsara anie ny manontolony, ho voky fahasoavana sy ho voky taona ka hiara-hifoka ny rivo-kanton'ny literatiora eto foana.
( . . . )
Taimbalimbaly , Taindronirony
( . . . )Inona ?
Izay manantena hamadika sy tsy hanoa
Modia ankofa ,
Fofosarita tahaka ity sary malahelo ity .
Aza misy fara handimby indry andriamanitra ,
Ankoatra antsika sombiniaiko .
Fa raha mahatana izany kosa ,
Modia famonto ny velirano rehetra vita
Tsofy rano am-bava hifafy
Iantohako ny olona mivady ,
Mila voa tsy ary , zoro fira
Fadin'ala Zanakomana .
Eny e ," fa zovy , fitiavan'iza akia no maty ?
Sa inona no loza hitranga ?"
No tomany taratra ny volana , ny kintana mihabanga ?
Andromanana niarahana nanangana
No indro manindao ,
Fa iza loatra ianao ?
Ny faritra any ahoana ?
Voatondro iray ampamelomantokana
No hany vokatra ,
Haro mihoatra tanana
Ho fara fanenenana . . .
Samy ngaly niara-nandrifotsy ,
Fa fahaenina sisa vao tsy fotsy !
( . . . )
Malahelo aho andriambavy ,
Fa nanjary tanin-dambo ny fanjakanako ato . . .
Koa eto aho , mangataka olona aminao
Ho lanitriombonana sy vakana hiambozonana
( . . . )
" Fa ohatra ny maty , hono , ianao ."
ANDRIAMANALINA
Telo naminanana , Alahasaty