17/12/2025
Miarahaba antsika rehetra.
Somary lavalava ka ialana tsiny.
🔴 MOTO VERY : BWS MANGA
Eto dia isaorana sy ankasitrahana sahady ireo rehetra nampahery, niantso ary nanontany anay noho ny fahaverezan’ilay moto BWS manga, very teny Ankadikely ny talata 16 desambra 2025, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany maraina (2h30).
Eto ambany dia ezahina hotantaraina amin’ny antsipiriany kokoa ny zava-nitranga:
Tokony ho tamin’ny 2h30 maraina no nahenoana feo hafahafa tao an-trano, toy ny feon-moto atosika. Rehefa taitra izahay ka nijery avy teo am-baravarankely, dia tsikaritra fa tsy teo intsony ilay moto.
Marihina eto fa tsy navela teo ivelany isan’andro ilay moto, fa napetraka tao an-trano foana. Saingy noho ny antony ara-pahasalamana, tsy zaka ny fofon’essence, ka nampivoahana azy vetivety. Efa fanao ihany koa ny mametraka moto eo amin’io toerana io, ary hatramin’izay dia tsy mbola nisy olana, satria tsy mora hita raha tsy olona mitsikilo na mahalala tsara ny ao anatiny.
Rehefa nandre ilay feo izahay, dia nosokafana haingana ny varavarana, saingy efa notohanan’ireo jiolahy tamin’ny pot fleurs sy biriky maro ny varavarana amin’ilay rindrina iray manontolo. Teo am-panosehana izany no nikoropaka izy ireo ka nandositra.
Rehefa tafavoaka izahay, dia maizina tanteraka ny andro ka tsy fantatra intsony na niakatra ankavanana sa ankavia izy ireo. Nandeha nijery aloha tany ankavanana izahay fa tsy nahita na inona na inona, ka niverina nizotra tany ankavia. Tamin’izay fotoana izay dia efa lavitra izy ireo, ary nisy nahita lehilahy roa nanosika ilay moto nandeha teny an-tanimbary.
Tsy nisy afaka nanenjika afa-tsy ny dadanay sy ny zandrinay vavy sy olona teo atananana 1, ary marihina fa lalina sy sarotra ny tanimbary. Rehefa nohenjehina hatrany amin’ny lalana mankany Antanandrano, dia nanjary tsy hita tampoka izy ireo, toy ny hoe nanjavona, ary tsy hita intsony na dia ny dian’ny kodiaran’ny moto aza. Nitohy ihany ny fikarohana, saingy tsy nisy vokany, ka voatery niverina maina.
Noho izany, miangavy am-panetren-tena ireo mponina eny Antanandrano sy ny manodidina, indrindra fa izay manana caméra de surveillance mitodika amin’ny arabe, amin’ny zoro samihafa, na eny amin’ny lalana an-tanimbary antsoina hoe “Sekalina”, mba hanampy anay hijery raha misy sary na porofo azo ampiasaina.
Mety izahay no tratra androany, fa mety ho isika rehetra rahampitso raha tsy miara-mientana.
📞 Izay manana vaovao na ahiahiana kely fotsiny aza, dia miangavy antsoy mivantana ireto laharana manaraka ireto:
033 14 219 06
034 69 393 58
038 65 074 72
🙏 Misaotra indrindra tompoko amin’ny fiaraha-mientana sy ny fanampiana.