TSILA

Call

TSILA Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from TSILA, Mandrosohasina, .

[email protected]
0388523613
Ireo vokatra Azo jifaina
Boky : TARATASY AVY ANY AN-DANITRA - 20000 AR
Boky : HOTANTARAIKO ANAO - 15000 Ariary
Clè USB 4 Giga feno antsa tononkalo - 25000 ariary
♥️Misokatra aminy fiaraha-miasa rehetra

...... VELOKO NY ZANAKOAllô.....Nitady anao indray ilay zanantsika androany Nifoha vao sasak'alina dia nanotanitany 'sy ...
12/10/2026

...... VELOKO NY ZANAKO
Allô.....
Nitady anao indray ilay zanantsika androany
Nifoha vao sasak'alina dia nanotanitany 'sy nilanila kisa :
Nakaiza hono i Dada no tena efa ela no no zary tsy hitahita

Nisento fotsiny aho fa tsy hitako ny ambara
Ahoana no hilazako hoe nahita akanga tsara
'ianao dia lasan'olon-kafa
Mbola zaza loatra io ka sao dia mba tsy hahazaka
'ny resaka ohatr'izany

Nanovanova resaka aho fa izy nitomany
Sy toa tsy nety vita
Nakaiza Neny i Dada a ! Mbola any ihany
ve sa nanadino antsika

Vao mainka tena tampina aho fa tsy hitako ny atao
Ahoana no hilazako hoe nanary anay ianao....
ary niova tarigetra
Sao dia mba hisaina izy hoe mitovy anao daholo....
ny lehilahy rehetra rehetra

Tsy tiako raha izany no lesona voarainy amin'ny marina ho lazaiko
Tsy tiako ho sarotahotra amin'ny resaka fitiavana ny an'ahy ny sombiniaiko
Dia aleoko aloha nangina

Kanefa na dia izany , na tiana na tsy tiana
ny alahelon-janako io no hanjary fahoriana....
Ho anao rehefa any afara

Fa 'zao aloha misaora , araraoty mihitsy dia tena misambara...

Izay fa dia faranako
Ndehana dia tohizo ny fiainam-botonao
Fa veloko ny zanako
Fa io no fahasambarako

Io no mbola hery hanohizako ny lalako , mahatonga ahy tsy mba kivy
Valoma dia sambara eo ambonin'ny alaheloko , ry ilay mpitsoaka adidy
TSILA in TARATASY AVY ANY AN-DANITRA
- 20000 Ariary
0388523613

Rehefa tsy vonona hanohana ireo tena mpanakanto isika dia mahazo vahana hoazy ireo mpanimba zava-kanto , Alaivo sary ant...
12/10/2026

Rehefa tsy vonona hanohana ireo tena mpanakanto isika dia mahazo vahana hoazy ireo mpanimba zava-kanto , Alaivo sary antsaina hoe natsipin'i Zara Ainga avy eny antsehatra i AINGAN'NY ALA tao amin'ny BNM , ilehikely io rahateo maivana🤣

sary fanehoana : tsisy idirany

Mirary alahady glady be hoantsika rehetra 🙏Ny mivavaka mazotoa ,izahay tsy mivavaka fa mihinana tekateka be 😊
11/10/2026

Mirary alahady glady be hoantsika rehetra 🙏
Ny mivavaka mazotoa ,
izahay tsy mivavaka fa mihinana tekateka be 😊

10/10/2026
10/10/2026

😅

.....ASAKASAKAOAsakasakao raha hanaratsy ny fisiakoNy lanitra eo mahatazana fa ny ahy ny faniriakoNy hahita anao tafita ...
09/10/2026

.....ASAKASAKAO
Asakasakao raha hanaratsy ny fisiako
Ny lanitra eo mahatazana fa ny ahy ny faniriako
Ny hahita anao tafita mahatotosa izay kasaina
Ianao na dia namitaka aza , izaho tsy ratsy saina
Tsy hahavita hankahala na hirary anao hianjera
Ny anao aloha no tsy haiko fa ny foko manantena
Hoe any am-pahombiazana any isika mifanena....

Ny kajy izay niraisana no rava tamin'ny farany
Io lanitra eo ambony io kosa no hitambarana
Tsy hamela antsika hitombona ny tany iaraha-mandia
Tsy hamela antsika hikosoka ireo lasana tety

Ny hifamela heloka iny Zavatra hafa mihitsy
Asakasakao hangarika , asakasakao hitsiky...
Mety hangotika ny aty , fa voakitika ny afero
Saingy ny efa nolalaiko tsy hitazonako alahelo
Io ny taratra masoandro mbola hitambarantsika
Ka asakasakao hifosa fa tsy neniko ny vita !

Ny ahy ny resaka mazava , teny tokana tsy miova
Ny adiresy mbola eto , raha mahatsiaro mandalova
Tsy voatery hoe hitanisa ireo minitra efa natory
Tsy voatery hilazalaza ilay fitiavantsika akory
Fotsiny hoe mba mifamangy , fahendrena malagasy
Raha tsy anjara ny ho doria , fihavanana no basy

Izay fa dia mirary anao hahatotosa izay kasaina
Mahaleova mahalasàna , hoy ilay tia fa noratraina
TSILA
1252150926

..NOFIKO HONO IZANYNanofinofy teny aho , naniry anao ho anjarakoNaniry anao ho anjely mpandravaka ny lalakoNikasa anao h...
08/10/2026

..NOFIKO HONO IZANY
Nanofinofy teny aho , naniry anao ho anjarako
Naniry anao ho anjely mpandravaka ny lalako
Nikasa anao ho tokana hitantana ny tanako
amin'ny fiainana any ahoriana
Fa indraindray ny faniriana tsy natao ho tanteraka fa...
Mitoetra ho faniriana

Nofisiko ianao iny hoe eny ambony ny alitara
Manao akanjo fotsy sy mitsiky anaty fiara
Mamikotra ny tanako dia toa tsy te hahalala
'fa mankamamy loatra
Io no nofy mamy tamin'ny nofiko rehetra ,
Tena nofy tsara voatra

Nofisiko ianao iny hoe mitrotro zazakely
Mitondra elo mena ilay mareva-doko ireny
Mamadika " friperie" ery Analakely
'mijery akanjon-jaza
Avy eo mibanjina ahy ianao no sady manotany hoe
"Tsara ity ve Dada ? "

Nofisiko ianao iny , tazako ao an-dakozia
Somokotra mahandro sady manadio lovia
Avy eo mamonjy ny efitro mitsikitsiky ery
'sady mody manotany
Mody manatsafa na dia fantatrao ny tiako
Mba ho laokantsika androany

Fa nofy mamy izany na dia haiko hoe tsy ho tontosa
Hafeniko ao anatin'ny eritreritro miavosa
Kanefa raha ny vintana hahatonga anao ho anjarako
Dia aotra mira aotra fa ny lalanao tsy ho lalako

Fa hisaorako ny alina nitondra nofy mamy
Fa nahasambatra ahy na dia hoe nofinofy ihany

TSILA

HO AN'I SAROBIDYDia misy alahelo misisika foana tsy resin'ny dolan'ny taona nandaloNanampy ahy namafa ny vanim-potoanaVa...
07/10/2026

HO AN'I SAROBIDY
Dia misy alahelo misisika foana
tsy resin'ny dolan'ny taona nandalo
Nanampy ahy namafa ny vanim-potoana
Vao mainka mirongatra foana ny tsiaro

Namindra avy lavitra mantsy ny foko
Namaky tany hefitra mangadihady
Fitia diso toerana, fo manan-tompo
Noserananao dia nanota sahady....

Ambivitr'hiroso amin'ny fanambadiana
Kanefa ny saiko mikiry ny hitoetra
Tia aho fa saingy efa misy olon-tiana
Misafotofoto eo ny zava-drehetra

Mahagaga sakaiza ny lalan-tantara
Fa tojo amin'ny ora tsy hananan-tsafidy
Dia misy sampanana be manadala
Ka izao no mba hafatra akia Sarobidy...

Ny foko mitia na tsy anjaranao aza
Ny toeranao tsy afaka anatin'ny foko
Ireo zava-niarahana no efa voarava
Ny vita rehetra vao mainka misoko

Na inona ditran'ny fiainana hoavy
Ianao mety ho tojo ny anjara tandrify
Ho sitrana ianao dia andeha hanambady
F'izaho tsy hanadino ny mombanao mihitsy

Any indray andro hifanena eny isika
Ary samy efa sambatra anilan'ny tiany
Hitsiky aho hahatsiaro ny zavatra vita
Ianao koa inoako fa tsy hanome tsiny

Fa izay ilay fitiavana rehefa tsy anjara
Mizara ny lalana dia samy lasa
Ny foko nitia tsy mahay mankahala
Sakaizako ianao na malalan'ny hafa
TSILA

Misy hisainana tsara ity asa soratr'i tompokolahy OM GUI ity 🥹"Izaho tsy nilaza hoe torio ny tsangan-kevitroFa izao no f...
06/10/2026

Misy hisainana tsara ity asa soratr'i tompokolahy OM GUI ity 🥹

"Izaho tsy nilaza hoe torio ny tsangan-kevitro
Fa izao no fampianarako ataovy zay nataoko

Indrisy ny lanitra banjininareo
Ny tany karakaina

Vavaka no arosonareo ho an’ny ory fa tsy ny tenanareo
Ambim-bava ve no homena ny madinika sa ny fiainanareo

Nahodinareo ny evanjeliko

...ANDRAINA VerotianaDia indro fa mitsidika ny saina reradreraka ny fo torovandrovanaMisisitsisika eny amin'ny lalana hi...
05/10/2026

...ANDRAINA Verotiana

Dia indro fa mitsidika ny saina reradreraka ny fo torovandrovana
Misisitsisika eny amin'ny lalana hizorana ny diarim-pahatsiarovana
Mitaika moramora ao an'tafotranoko ao mantsy ny orana mijoy
Dia lasa manimanina ny vita taminao Ilay nariana tsy nahafoy
ANDRAINA Verotiana , anarana tadidy mampimpody zava-maro
Ny valo taona teto ve hanaiky ho faty momoky ny taona izay mandalo
Tsy mino ianao f'inoako fa ny anjara no nandrava izay najorontsika teto

Andraina verotiana ô ,
sigara maro tovona sy setroka manempotra no entiko misento
Omaly aho tafajery ireny hafatrao fahiny fony Mbola mpisakaiza
Dia lasa nino indray hoe ny fitia raha lalim-paka toy ny aretina mitaiza
Tsy matin'ny fotoana io , tsy resin'ny herin-tsaina fa zavatra mahery
Angamba koa ny foko no efa misy farasisa ka manitatra ny fery
"Salama hoy ianao dia mirary soa indrindra amin'ny asa mba ho tò "
Io no firariana sy hafatra voaraiko isa-maraina vao mifoha
"Dia aza adino koa ny mahatsiaro an'Andriamanitra amin'izay rehetra atao"
ireny teny ireny no porofo nahatsapako fa hoe sarobidy ianao
Tadidinao angamba fony izaho narofirofy sy nandamaky ny tazo
Dia Tonga ianao nisahana n'y zavatra rehetra toy ny olona mpitsabo
"Kinini-potsy fito ary ravina papay hoy ianao no tena tsara
Sotroina sy atao hevoka io indroa na telo monja dia miverina salama
Tadidiko eto ireny fa toa sarotra hadinoina moa ny tiana be taloha
Nositraninao ny tazo dia amin'izao aho mila anao mba hitsabo indray ny fo
Fa mazana koa ny tia rehefa tena lasa lavitra vao tsapanao ny lanjany
Ny olotiana rehefa tsy eo fa efa eny an-tanan'olona vao hitanao ny hamanjany
Fa mitaika moramora ao an'tafotranoko ao izao ny orana mifafy
Any ho any mantsy ianao Ilay malalan'olon-kafa , ny ahy ny vintana nigafy
Ny hasambarantsika foana no niriako hatramin'izay dia tanteraka izy izao
mantsy sambatra ny foko raha nahare fa efa sambatra eny an-tratrany eny ianao
TSILA

Address

Mandrosohasina

Telephone

+261346018320

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when TSILA posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

  • Want your establishment to be the top-listed arts & entertainment?

Share