21/08/2026
.......ELANELAN-TANY
Misy rindrina mitsiry manasaraka ny miaina
Goavam-be sy makadiry , mampilofika ny saina
Ny ririni-manadiva , ny alin-kitroka misoko
Oh ! Ry tiako lavitra any , malahelo anao ny foko
Any ho any ianao sakaiza , lavitra tsy taka-jery
Ny lanitra iombonana io no hany sisa mampahery
Misy sarinao mivelatra eto ambony bokiko eto
Tokony hanamaivana ahy,nefa koa mamoha ny sento
Angamba tsisy fanafody ny alahelo tafatsiry
Mahita olon-droa midola , dia ny saina no maniry
Any ho any ianao sakaiza , lavitra tsy taka-jery
Io lanitra iombonana io no hany sisa mampahery
Miezaka aho mamily saina , miezaka manary dia
Mijerijery sisin-driaka ! , mikitikitika valiha
Mamaky boky sy ny sisa hampandriana alahelo
Nefa ny endrikao sariaka, tazako manelohelo
Any ho any ianao sakaiza , lavitra tsy taka-jery
Io lanitra iombonana io no hany sisa mampahery
Injao ny orana mifafy , reko avy ato anaty trano
Lasa mieritreri-dratsy , ny masoko manganohano
Sao ianao mivadi-toky , sendra tojo akanga tsara
Saina mba tsy mandry ny ahy,ny fotoana no hanambara
Any ho any ianao sakaiza , lavitra tsy taka-jery
Io lanitra iombonana io no hany sisa mampahery
Nefa haniraka ny nofy aho mba hitafa iray minitra
Izay no sisa fara-hery mb'hampiray ny lalantsika
Raha mitsiky izao no vintana,mba mijery ny mpahary
Mety ho nofinofy sisa , izato elanelan-tany
Dia tonga eto ianao sakaiza , mba akaikin'ny fijery
Io lanitra iombonana io , hiova paradisa kely
TSILA