19/06/2026
.... MAHANTRA FITIA ....
Rehefa sendra mba manaja ilay tokana lalaina ianao dia ...
Tsy maintsy hoe ratraina omeny aretim_po
Ataony mitaraina ianao dia ataony miasa loha
Amin'ny resaka fitia...
Satria ianao moa tia
Ka tsy afaka ny ho aiza fa valala tapak'elatra
Dia ... nanjary nibilioka ilay nanolorana ny fo
Lasa tsy najainy ilay toky izany napetraka
Hoe : iray ihany dia ampy fa tsy misy fanindroa
Ilay tokana lalaina...
Eeee ! Fa mba ho aiza moe e!
Marary kely ny aina
Sinaingy manaja ny safidiny
Ilay mahatra ngarangidiny amin'ny resaka fitia
(...)
Raha maratra avy any aminao dia miverana aty
Fa mbola miandry foana ilay olona iray voafitaka
Mbola miandry foana na aza hoe voahitsaka
Taratry ny Nofy
araho tsy tapaka ny pejy 🙏🎊