Misa Mi ツ

Misa Mi ツ Raikitra e βœŠπŸΌπŸ”

07/03/2026

TIANY HONO IANAO

Fitiavany anao hono mahatonga azy mbola eo,
fitiaviny anao fa raha naditra ianao dia, izy tsy mba nety leo
Tsy sasatra manova izy,na dia sarotra azy izany,
na inona na inona tsy nety nataonao dia,niaretany teny ihany,
satria..."Tiany hono ianao"

Niandrandra anao mba hiova izy saingy,enao tsy mba mety tonga saina
tiany hono ianao raha mba mendrika fa, izany no ilainy dia
ilay ianao miraharaha azy sy mahatsapa ny fisiany,izay no tena tiny
mazΓ na izy nahazo teny marary fa,manatena foana anao mba hiantso azy hoe tiana satria..."Tiany hono ianao"

Tiany hiverana indray hono ireo sangisanginao fahiny,
tiany hono raha tononinao indray ireo teny mamy fanaonao ankehitriny
fa nangina hono ianao,toa tsy mba nahitana teny firy intsony
nofenonao alahelo hono ilay fifaliny hatrizay ka namotika ny fony,niafiny hanefa izany
Satria..."Tiany hono ianao"

Angamba ho izy mandalo ihany izao
fa mety rerakin'ny rotorotom-pianana sy ny asa hono ianao ka,
tsy homeny tsiny raha kizitinjitina aza fa,hiaretany eny ihany
tsy foiny hono ianao fa ianao ilay nosafidiny teto an-tany ka...
"Tiany hony ianao"

Misa Mi ツ

21/02/2026

MBA LAZAO

Efa mby akaiky ve ilay silako fa toa tsy mbola tazako,
dia aiza ho aiza no misy azy fa...tsy maintsy handehanako
maniry ny ahita izany tavany aho sy maika andray ny tanany,
dia mba ohatran'iza izany dia... iza no anarany?
Mba lazao...

Mba lazao ahy ny bikany dia tantarao ahy ny fihetsiny,
dia ambarao ny ditrany sy ny hatsaran'ny toetrany
Mba atoroy ahy ny namany sy ny akaiky azy indindra,
ny fiaraha-monina misy azy ary alavitra azy indrindra
Mba lazao...

Dia mba lazao izay fantatrao rehetra momban'azy
siosion-dresaka izay renao mahakasika azy..fa
Tiko ho fantatra ilay silako ho avy,dia ilay natokana ho anjarako
dia ambarao leroa a! fa mila mpiondana ny tratrako
Mba lazao...

Lazao dia atory ahy ny lalany isan'andro
volagno ny tena marina dia tanatarao ambangovango hoe:
toy izao ny volony dia tahak'izao molony,
aza asina banga fa tantarao hatramin'ny tongony
Mba lazao...

Mba maniry ny ahita zany tavany aho sy maika andray ny tanany,
dia mba ohatran'iza izany dia...iza no anarany?...MBA LAZAO

Misa mi ツ...✍🏼

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Misa Mi ツ posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category