Hay Kanto - STK FJKM Ankadifotsy

Hay Kanto - STK FJKM Ankadifotsy 💚Kanto Hiainana, Kristy Hiankinana.

STK FJKM Ankadifotsy - Hay Kanto, sampana mitodika amin'ny seho sehatra ary ny fanehoana ny kanto ho fiderana an'Andriamanitra🤍

Teny an-dalana ho fanatanterahana ny fihaonambe nasionalin'ny sinodamparitany manerana an'ny Madagasikara ho any Nosy Be...
25/08/2026

Teny an-dalana ho fanatanterahana ny fihaonambe nasionalin'ny sinodamparitany manerana an'ny Madagasikara ho any Nosy Be
Tsy dìa lavitra fotsiny no naleha fa niara-nifaly, nifampitantana ary nifankatia izahay. 💙
Iray ny lalana, iray ny fo, iray ny finoana. 🤝✝️

«...Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina » — Salamo 133:1

FJKM Ankadifotsy Sampana Tanora Kristiana FJKM - Ofisialy

|| Souffle nouveau ||Alatsinainy 24 Aogositra 2026« Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana » dia tsy midika hoe m...
24/08/2026

|| Souffle nouveau ||
Alatsinainy 24 Aogositra 2026

« Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana » dia tsy midika hoe manakimpy ny masontsika manoloana ny zava-misy. Midika kosa izany fa mandà isika tsy hamela ny zava-misy hita maso hanana ny teny farany manoloana ny fampanantenan’Andriamanitra.

Ny mandeha amin’ny finoana dia midika hoe: matoky an’Andriamanitra, mankatò Azy, ary mitazona ny fanantenana na dia sarotra aza ny toe-javatra.

Ny finoana dia tsy manome antoka fa ho fantatrao mialoha ny dingana rehetra, fa manome toky anao kosa fa tsy mandeha irery ianao ary mbola eo an-tanan’ny Tompo ny fiainanao.

Koa tsy izao ihany àry no tena fanontaniana: « Inona no hitako? », fa koa hoe: « Amin’ny tenin’Andriamanitra iza no hofidiako hifikirana? »

Mirary lasy sy Herinandro feno fiadanana antsika rehetra 🌸

🍁 P o r t r a i t 🍁'Ndeha indray ary fantarintsika kely momba ity tovovavy iray ity😁Aza adino manisy teny kely ho an'i M...
20/08/2026

🍁 P o r t r a i t 🍁

'Ndeha indray ary fantarintsika kely momba ity tovovavy iray ity😁
Aza adino manisy teny kely ho an'i Mialy Tiana ao amin'ny fanehoan-kevitra an😁✨

Hoy hatrany izy:

🍁Antony nidirako Hay Kanto:
Nahaliana be ahy ilay mijery théâtre ataon'ny HK isaky ny herinandro sambatra ka izay no antony nidirako sampana mba hahafahako iany ko mapiasa ny talenta nomen'ny Tompo ahy entiko hanompoana anazy ary koa mba hitomboako amin'ny fiainam-panahy.

🍁Fomba niarahana tamin'ny mpiara mikambana:
Rehefa ilay miara mientana alohan'ny théâtre, rehefa répétition, isaky ny sortie ataon'ny HK; ireo fotoana ireo no nahafahako nifandray tamin'ny ankizy tao amin'ny sampana

Akon'ny Alahady📖 Etude Biblique📖Indraindray isika mahita safidy roa eo anoloantsika:👉 Hanao izay hahafaly ny olona… na 👉...
18/08/2026

Akon'ny Alahady
📖 Etude Biblique📖

Indraindray isika mahita safidy roa eo anoloantsika:
👉 Hanao izay hahafaly ny olona…
na
👉 Hanao izay sitrak'Andriamanitra.

Izany indrindra no antony nisafidianana ny andinintsoratra masina ao amin'ny "GALATIANA 1:10-12" ho fandalinana sy hamantarana hoe tahaka ny ahoana tokoa ny tena sitrapon'Andriamanitra mba ahafahatsika mandray fanapahankevitra marina sy mahitsy.

Mety ho mora ny misafidy izay hahazoana likes, fankasitrahana ary teny mamy. ❤️
Fa ahoana kosa rehefa fantatrao fa tsy mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra izany?
Hijoro ve ianao? Sa hiova noho ny tahotra ny hevitry ny olona?

Tsy midika izany hoe tsy tokony hanaja na hampifaly olona isika.
Fa mampianatra antsika kosa izany hoe:
Aza avela ny fankasitrahan'ny olona hanjary lehibe kokoa noho ny fankatoavana an'Andriamanitra.

💭 Ary ianao?
Raha tsy maintsy misafidy ianao eo amin'ny “fankasitrahan'ny olona” sy ny “sitrak'Andriamanitra”, iza no hofidinao?

✨ Iza no tadiaviko hampifaliana?

|| Souffle nouveau ||Alatsinainy 17 Aogositra 2026“Le cultivateur ne déterre pas sa semence chaque matin pour vérifier s...
17/08/2026

|| Souffle nouveau ||
Alatsinainy 17 Aogositra 2026

“Le cultivateur ne déterre pas sa semence chaque matin pour vérifier si elle pousse. Il travaille, il arrose, puis il attend avec confiance.”🌱

Mandritra ireo vanim-potoana mangina, tsy hoe tsy manao na inona na inona Akory na koa hoe mijery fotsiny Andriamanitra. Na dia mahatsapa ary isika fa Otrany Ela be ilay valim-bavaka, dia Aza manahy fa mety efa eo am-panomanana asa lalina kokoa noho ilay fahagagana angatahinao Izy.🥰

Ny faharetana dia miseho amin’ny endrika fahatokiana, satria mifidy ny hino fa Tsara Amdriamanitra, na dia mihoatra ny fahafantarantsika aza ny fotoana ampiasainy.🙌🏻

Ankehitriny, tohizo ny mivavaka, ny mankatò, ary ny manantena…Fantatr'Andriamanitra ny fotoana tokony hamoahana ny voa.💐

Mirary herinandro feno fiadanana antsika rehetra 🌸

Tsy mora ny manao zavatra e?😁🎭Koa satria ao ambadiky ny seho iray, misy tanana maro, fikirizana ary fo miara-miasa ho ir...
14/08/2026

Tsy mora ny manao zavatra e?😁

🎭Koa satria ao ambadiky ny seho iray, misy tanana maro, fikirizana ary fo miara-miasa ho iray, ireto misy sombiny kely tamin’ny zava-nitranga tao ambadiky ny sehatra✨ Ilay ampahany tsy dia hitan’ny mpijery, nefa anisan’ny tena mampisy aina ny fampisehoana💚🤍

IZA ARY NY TALENTA ANDROANY?Androany, faly izahay mampahafantatra anareo an'i Elausis Letsifeherana, Producteur ary tia ...
13/08/2026

IZA ARY NY TALENTA ANDROANY?

Androany, faly izahay mampahafantatra anareo an'i Elausis Letsifeherana, Producteur ary tia Football ⚽.

Fa ao ambadiky ny anarany sy ny asany dia misy zavatra iray lehibe kokoa: fo vonona hanompo sy hizara. 🤝

Ny tanjony ao amin'ny STK Hay Kanto dia ny handray anjara amin'ny fanatsarana hatrany ny fikambanana, sady hizara amin'ireo namany ny traikefa sy ny fahaiza-manao ananany.

💙 Inona no faniriany ho an'ny STK amin'ny taona ho avy?

Ny fifankatiavana.
Ny firaisan-tsaina.
Ary ny fahaizana miara-mandroso.

Ary mahaliana ny nahasarika azy voalohany hiditra tao amin'ny STK…

🕺 Ny resaka dihy!

Fa tao ambadik'izany zavatra nahasarika azy voalohany izany, dia nahita toerana ahafahany mitombo, manompo ary mizara izy.

📖 Ary andinin-tSoratra iray manamarika sy tiany hitari-dalana azy eo amin'ny fiainana:

« Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra. »
— Ohabolana 18:12

🌿 Elausis Letsifeherana — olona iray, tantara iray, fanomezana iray ho an'ny STK Hay Kanto.

#

Même lorsque tout semble obscur, la lumière de Christ demeure. Elle ne dépend pas de nos circonstances, de nos émotions ...
12/08/2026

Même lorsque tout semble obscur, la lumière de Christ demeure. Elle ne dépend pas de nos circonstances, de nos émotions ni de nos propres forces. Jésus apporte la vie, révèle la vérité et ouvre un chemin d’espérance là où nous ne voyons plus clairement.🤍

Dans les ténèbres, Dieu n’est pas absent. Sa lumière peut commencer par une parole, une décision de foi, un pardon accordé ou une espérance renouvelée.🙌🏻

Dans un monde marqué par la peur et la confusion, choisissons de refléter la lumière de Jésus avec amour, vérité et compassion.✨

❤️ AZA MANGINA IRERY.Mety tsy mila olona hanome torohevitra ianao.Mety mila olona hihaino anao fotsiny ianao.Indraindray...
12/08/2026

❤️ AZA MANGINA IRERY.

Mety tsy mila olona hanome torohevitra ianao.
Mety mila olona hihaino anao fotsiny ianao.

Indraindray, ao ambadiky ny olona mangina dia misy ady tsy hitan'ny mason'olona.

Misy fo reraka.
Misy ratra tsy voateny.
Misy fanontaniana tsy sahy apetraka.

Ary rehefa tsy misy fifampiresahana, dia mety ho lasa elanelana ny fahanginana.

Koa andeha isika hampiatra ireto zavatra 3 ireto:

🗣️ MIRESAHA — satria misy entana tsy tokony ho entina irery.

👂 MIHAINOA — satria tsy izay rehetra mangina dia hoe tsy manana zavatra holazaina.

🤝 MIFANOHANA — satria indraindray, ny fahafantarana hoe “Misy olona miaraka amiko” dia efa manome hery.

Hoy ny Tenin'Andriamanitra:

📖 “Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.”
— Galatiana 6:2

💭 Koa raha misy olona nihataka, aza manontany voalohany hoe: “Fa maninona izy no lasa?”

Anontanio kosa hoe:

“Inona no mety nolalovany ka tsy hitanay?”

Ary raha ianao ilay mahatsiaro ho irery androany:

Miresaha. Misy mihaino.
Mbola misy olona miahy.
Mbola misy toerana ho anao. 🫂❤️

Ary ambonin'izany rehetra izany…

Mbola eo Andriamanitra. 🙏

🌿 Aza mangina irery.
Mifampiresaha. Mifampihainoa. Mifanohàna.

💎 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome a...
11/08/2026

💎 Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany.

— Jeremia 29 : 11

Address

FJKM Ankadifotsy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Hay Kanto - STK FJKM Ankadifotsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share