29/03/2026
29 MARTSA
Tao anaty alina mangina no naharenesana ilay feo
Antso vonjy sy taraina, toloko sy toreo
Mantsy tao anaty alina mangina no nisy ilay rà nipatrapatraka
Mba ho fahafahana hono mantsy e,izay ilay teny fisandratana
Dia indreo ireo mahery fo nanao sorona ny ainy
Mba hahaleo tena ity tanindrazana lalainy
Saingy, tao anaty alina mangina nisy ireo milaza azy ho namana
Mpisolelaka izy anefa, namadika ity tanindrazana
Tsy kivy anefa ireo mpitolona na aza voakaravasy
Tsy natao hampihemotra ny firefodrefotrin'ny basy
Dia tao anaty alina mangina no naharenesana ilay feo
Antso vonjy sy taraina, toloko sy toreo
ARY ANKEHITRINY
Moa tena mahaleo tena tokoa ve isika?
Moa mba nisy vidiny ve ireny rà mandriaka?
Hatraiza ny fetran'ny tolona natao?
Moa ve tsy mbola andevo ihany isika izao?
Ilay rà nantenaina hanadio ity nosy
No indrisy, indrisy fa dia tena voahosihosy
Dia very momoka teo ilay tolona nimasoana
Satria... Manjaka amin'ny hendriny hafa indray ny fanatontolona
JEAN RIJANIAINA