11/11/2025
(....)
" Mamy kely ilay mahita anao mifaly rehefa mihaona isika ,
Indrindra moa rehefa " mitsiky";
Ny tsy fahitako anao iray minitra toy efa aman- taona fa tsy aiko .
(...)
Ny foko ve no efa diso tia sa ny saiko no mamorona ,
ny zavatra tsy tokony ho foronina
Tsy aiko ...!
Fa isak'alina aho tsy mahita tory fa ny anaranao foana no voatonontonona .
(...)
Niezaka ny ho mafy fo foana aho hatrizay nitiavako fa taminao tsy vita .
Mivaraontsana , tsy mahaloa- peo ny vavako rehefa ianao " mitsiky" .
(...)
Fa tsy aiko ...!
Tsy aiko ny mamaritra izay miafina amintsika,
TSY LAVO
10/11/25
4 ora ariva
ITAOSY