Kitay Telo An-dalana

Kitay Telo An-dalana Andrianiko ny teniko hanandratako ny taniko🇲🇬Satria poletako ny peniko ho an'ny Teny malagasiko📝

Asa soratry KANTO M'Fangia...,Tovolahy kely poeta anisany manana ny maha izy azy ,mpikambana ato amin'ny vondrona😊.Araho...
16/02/2026

Asa soratry KANTO M'Fangia...,Tovolahy kely poeta anisany manana ny maha izy azy ,mpikambana ato amin'ny vondrona😊.Araho hatrany ny pejy🙏
Ny tenindrazana....

Ambarako eto androany ,
ny mikasika ny teniko.
Tsy ho tsindriko ambany fa...
ho asandratro ho ventesiko.

Maro mantsy ny tanora,
tsapako ho miova lalana.
Mandeha mafy fa tsy mora,
tsy mampiasa "tenindrazana".

"Andrianiko ny teniko,
ny an'ny hafa koa feheziko."
Fa ho afeniko ny teniko,
dia... ny vahiny no ho ventesiko.

Toa ambanin'ny maso tsy hita e!
'zany hatao hoe "tenindrazana".
Fa manana ny any am-pita ,
Amin'ny resaka fianarana.

KANTO M'Fangia...
"(K.M.)"

Address

Ambohijanahary Antehiroka
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kitay Telo An-dalana posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category