16/06/2026
Manomboka anio 16 jona ny fikaonandoham-paritra, izay karakarain'ny fiarahamonim-pirenena malagasy.
🚨 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎 𝐕𝐎𝐀𝐋𝐎𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐊𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍𝐃𝐎𝐇𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀
Anio 16 Jona no manomboka amin'ny fomba ofisialy ny Fikaonandoha Mahaleo Tena sy Mampiatin'ny Firaisamonim-pirenena.🇲🇬
Faritra roa no manomboka ny fikaonandoha anio :
👉🏽 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐒𝐎𝐅𝐈𝐀:
- faritra faharoa lehibe indrindra eto Madagasikara
- faritra anisan'ny mpamokatra indrindra amin'ny lafiny fambolena
👉🏽 𝐅𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀:
- faritra afovoantany izay lalovan'ny lalam-pirenena faha 7
- faritra miavaka sy fantatra amin'ny asa tanana Zafimaniry sy ireo fomba fambolena samihafa
📍FARITRA SY FEO ROA SAMIHAFA
Saingy samy mino sy mahatoky ireo fikambanana ao aminy fa manan-danja tokoa ny feony amin'izao vanim-potoana lehibe lalovan'i Madagasikara izao.
📣 𝐅𝐎𝐓𝐎𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐎 𝐇𝐈𝐓𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀𝐍𝐀, 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍-𝐃𝐀𝐍𝐉𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐄𝐕𝐈𝐓𝐑𝐀𝐎.🇲🇬