Nøuh-Mēnå

Nøuh-Mēnå 🇲🇬 MAMY Nomena🇲🇬

🫵Ho ANAO💯Akaikinao aho,dia lasa manadino ny zavatra rehetraTsy faniriana intsony ilay ho malalanaoFa efa rakintsarintsik...
23/05/2026

🫵Ho ANAO💯
Akaikinao aho,
dia lasa manadino ny zavatra rehetra
Tsy faniriana intsony ilay ho malalanao
Fa efa rakintsarintsika ny ho doria tsy misy fetra

Tsy fo feno tabataba
Na misedra olana sy ady
Fa fo iray tsy mihafahafa
Mifampizara izay mangidy mba hamatotra ilay tady

Ny hankatonao ny angolanao
Tsirom-piainana voarakitra ato an-dohako
Indrindra anie ilay fisinao
Toa nanadinoako ireo Ray sy Reny masoandro amam-bolako

Dia mieritreritra aho hoe :
Raha tsy vitako ny mampiakatra anao
Farafaharatsiny, ny fitiavantsika voafatotro @ kofehy lehibe
Ho fato-maty tsy hiala, inty aho maminao

Nøuh-Mēnå 🪶

🫂Ao am-ponao ve aho?🫂Ao am-ponao ve aho sa mandalo fotsinyToy ny rivotra mitsoka dia lasa indrayTena za sa  ny rotsirots...
16/05/2026

🫂Ao am-ponao ve aho?🫂

Ao am-ponao ve aho sa mandalo fotsiny
Toy ny rivotra mitsoka dia lasa indray
Tena za sa ny rotsirotsiny🥲
No mameno ny banga aminao indraindray

Ny tsiahy very,.ny anatiko maharary
Isan’andro aho manontany tena
Sao dia matsatso toy ny loham-pary
Ilay fitiavanao ahy ka mitenena

Ao am-ponao ve aho sa, fahazarana sisa no tavela
Ny ahy anie tena fitiavana e, mba aza avela hianjera
Vao tonga ny alina dia ny anaranao no mibitsika ao an-tsaiko
Ilay tambitambinao tsy foiko nefa ny fitiavanao tsy haiko

Nøuh-Mēnå 🪶

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Nøuh-Mēnå posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share