27/08/2026
CINEMA MALAGASY : KOLONTSAINA, EZAKA ARY HOAVY
Miarahaba antsika rehetra tompoko.
Te hizara aminareo kely ny zavatra hitako sy niainako nandritra ny FESTIVAL FILM MADAGASCAR – ISSM AWARDS, indrindra momba ilay tontolo iray tena tiako sy iainako: ny SINEMA MALAGASY.
Misy ezaka lehibe atao ao ambadik’ity sehatra ity. Mbola betsaka anefa ny zavatra tsy ampy, ka mila antsika rehetra. Satria ny sarimihetsika dia tsy fialamboly fotsiny. Kolontsaina izy, ary ny kolontsaina dia iray amin’ireo hery mangina mampijoro sy mampahafantatra firenena iray. Tsy tokony hatao ambanin-javatra izany.
Noho ireny hetsika ireny dia afaka milaza isika fa:
• Mivoatra ny sarimihetsika Malagasy, saingy mbola mila tohanana sy ampiana.
• Afaka mifaninana amin’ny any ivelany isika. Tsy voatery hoe rehefa manana fitaovana lafo sy be dia be ny any ivelany vao afaka mamokatra sarimihetsika tsara. Efa misy eto amintsika ihany koa ny talenta sy ny fitaovana azo ampiasaina. Ao amin’ny JOLYWOOD, ohatra, dia miezaka izahay manome fahafahana ireo mpisehatra amin’ny alalan’ny fanofana fitaovana ilaina amin’ny tournage.
• Mila jerena manokana ny olan’ny ISSM sy ny mpanao cinéma Malagasy. Misy zavatra maro ao ambadika ao izay tsy hita eny ambony sehatra. Samy manana ny olany sy ny fijeriny ny tsirairay, ka ny tena ilaina dia ny fifampihainoana sy ny fitadiavana vahaolana miaraka.
• Ary raha ny hevitro manokana, ny kolontsaina mihitsy no tokony homena lanja bebe kokoa. Tsy ny sarimihetsika ihany, fa ireo sehatra rehetra mampiseho ny maha-Malagasy antsika.
Misaotra ireo mpitondra fanjakana izay nijery sy nandray anjara tamin’ity hetsika ity. Manantena kosa izahay mpisehatra fa tsy hijanona amin’ny seho sy kabary fotsiny izany, fa hisy fiatraikany sy vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny sehatry ny cinéma sy ny kolontsaina.
Betsaka ny olona liana, maro koa ireo te hanampy. Ny ilaintsika dia ny mampiray sy mandamina izany hery izany, dia miasa. Tsy resaka fotsiny, fa asa.
Ilaina ny hetsika tahaka izao. Ary antenaina fa mbola hivoatra sy hihatsara hatrany ny FESTIVAL FILM MADAGASCAR sy ny ISSM AWARDS, satria sehatra iray ahafahan’ny mpanao cinéma Malagasy mifankahita, mifampizara ary mampiseho ny asany.
Ho an’ny JOLYWOOD, mbola hitohy hatrany ny ezaka ataonay ho an’ny CINEMA MALAGASY sy ny KOLONTSAINA, araka izay tratranay. Izany no lalana nofidinay, ary izany no ezahinay aorina tsikelikely, tarihin’i Nicolas Jaona Harivelo, fantatra amin’ny anarana hoe JORK IMBILAYA.
Mirary soa ho an’ny mpisehatra rehetra.
Misaotra indrindra ny ISSM, Ivon-toeran'ny Sarimihetsika sy Sarimiaina Malagasy sy ny Fifandraisana sy Kolontsaina amin’ny ezaka ataonareo. Mbola maro ny zavatra mila jerena sy hatsaraina, saingy ny zava-dehibe dia ny manohy, mifampihaino ary miasa.
Ary ho an’ireo maro nanontany momba ireo vokatra novokarinay tao amin’ny JOLYWOOD, anisan’izany ny BIBIOLONA, dia ho an’izay mbola tsy nahita azy, apetrako eto ambany ny lien YouTube. 🎬🇲🇬
👇👇👇
https://youtu.be/hNuA3sKCH3A?si=D9hEULxo9o7Ginyi
Andao hampandroso miaraka ny CINEMA MALAGASY.
Tsy an’ny olona iray izy io. An’ny Malagasy rehetra.