Rim'jah Ofisialy

Rim'jah Ofisialy HANORATRA AHO ANIO MBA HO TSIARO RAHATRIZAY

RIM'JAH📖

MISITERIN'ILAY TRANO TOKANA"tapany faharoa"👉Efa ora maromaro ihany isika izay no nihodikodina tato anaty ala tato fa toa...
28/02/2026

MISITERIN'ILAY TRANO TOKANA
"tapany faharoa"

👉Efa ora maromaro ihany isika izay no nihodikodina tato anaty ala tato fa toa tsy hita izay nalehan'i Diary sy i Madama Menja, asa, mba lasa aiza ary izy ireo? Hoy i Rija toa hita efa miha kivy izany. Efa ho ora dimy tokoa mantsy no nivezivezen'izy telo dahy fa tsy nahita izay notadiavina akory...
👉O ry reto a, jereo anie fa ohatran'ny misy bozaka milamaka izany ireto e, mety hoe nisy olona nandalo izany teto. Hoy i Vola niantso an'i Rija sy i Tojo
👉Tena andao harahina sao mba hahitana mangirana ihany. Hoy i Tojo no sady mitarika azy mianadahy. Narahin'izy ireo moa ilay bozaka milamaka toa hoe vao avy nandehanan'olona... Rehefa lasa lavidavitra izy telo mianadahy dia nahatsikaritra trano iray.
👉Fa ahoana koa ity trano miorina aty afovoan'ala ity? Sa va re mety hoe tranon'ny mpiambina ity ala ity io? Hoy i Rija
👉Dia samy tsy mahalala moa isika izao ko, fa andao aloha hanatona eny dia hanontany izay olona ao sao mba nahitana an'i Diary sy tale e. Hoy i Tojo nanantona tamim-pasahiana tokoa. Rehefa tonga teo antokotany izy telo dia nandondona fa tsy nisy nanohina akory, toa hoe tsy misy olona izany ao amin'ilay trano, sa va re mety hoe matory, na koa hoe nandeha niremby ao an'ala...
👉Tojo sy Rija a, ohatran'ny tsy mihidy anie izany varavarana izany e, jereo anie fa misokasoka fotsiny ity izy e. Hoy i Vola somary nanantona akaiky kokoa.
👉Eny tokoa! Kanefa isika mitabataba eto fa tsy misy mamaly akory. Hoy i Tojo
👉Tena aleo rangahy hiditra aloha sao mba ao ihany ny tompon-trano fa mety resin-tory fotsiny a. Hoy i Rija no sady nanokatra ilay varavarana no sady niditra.
👉O lehity ry Rija a! Sao mba lazain'olona fa mpamaky trano eo leisy isika miditra tsy ampandrosoana akory a. Hoy i Tojo nanahy ihany. Tsy norarahian'i Rija anefa izany fa dia niditra ihany ingiahy...

HITOHY...
araho hatrany ny pejy an👊

MBA FANIRIAKO AKIASatriko indrindra akia ny mba hiaina ao anaty nofinaoHianoka hasambarana amin'ny tontolo hiainanaoHisi...
28/02/2026

MBA FANIRIAKO AKIA

Satriko indrindra akia ny mba hiaina ao anaty nofinao
Hianoka hasambarana amin'ny tontolo hiainanao
Hisidina eny an'habaka hiara hilalao
Dia hiara hivetsovetso ireo vazo tsy maty ambavanao

Eny, tena mamiko tokoa
Raha toa isika roa
No hitety ilay tontolo
Ravahan'ireo voahary tsara kolo

Raha mba izany akia no tò
Dia ho henika hafaliana tokoa
Ity foko kely ity
Ho ampoka fitia

Ka moa ve sitrakao
Ny mba hidirako ao
Anatin'ilay nofinao
Manaiky va ianao?

Dia hiala eto isika roa
Hifindra any amin'ilay toerana lafatra sy soa
Toerana iray hitambaran'ireto fo
Ka ny misy rehetra ety ho hadino avokoa

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉TONONKALO

abonneo hatrany ny pejy

aza miala lavitra fa efa hilatsaka eto ilay sombitantara VALIFATY sy ilay MISITERIN'ILAY TRANO TOKANA a😀👍

MISITERIN'ILAY TRANO TOKANA👉Efa vonona daholo ve rankizy a? Efa ao daholo sa mbola misy tavela any? Hoy i Menja talen'ny...
27/02/2026

MISITERIN'ILAY TRANO TOKANA

👉Efa vonona daholo ve rankizy a? Efa ao daholo sa mbola misy tavela any? Hoy i Menja talen'ny sekoly. Toin'ny fanaon'ity sekoly iray ity isan-taona manko dia manao fialan-tsasatra miaraka izy ireo rehefa fiafaran'ny taom-pianarana ka isan'izany ity dian'izy ireo hoany Antsirabe ity, miovaova isan-taona ny toerana haleha fa any Antsirabe no nosafidian'ny sekoly tamin'ity taona ity...
👉Efa daholo izahay Madama a. Hoy kosa i Rija namaly andramatoa tale.
👉Eny ary e, andao izany isika hanainga amin'izay raha tsy misy hadino intsony e. Hoy i Menja dia lasa izy ireo...

Nizotra tsara ny dia... Nitotorebikin'ny hafaliana ny iray fiara, mamakivaky hala dimbiasan'ireo tendrombohitra ary mandalo tanàna tsindraindray, mifantoka tsara kosa i Ramose Dera eo ampamiliana ny fiara mitanjozotra mianatsimo, ny lalana amin'iny lalam-pirenena faha fito iny koa moa somary ratsy ihany ka mila mitandrina sao hiaran-doza eny andalana...
👉Azafady Madama, olombelona tsy akoho kely aloha fa tena tsy tanako intsony ity. Hoy i Tojo rehefa nahavita kilaometatra maromaro miala an'Ambatolampy, nijanona naka sisiny ny fiara ary samy nivoaka daholo ny rehetra, tao ny nanary ny mavesatra taminy, tao kosa ny nanao "selfie" mba hatao fahatsiarovana.
👉Andao amin'izay rankizy fa ho tratra alina ihany anie isika raha izao e. Hoy i Madama Menja.
👉Madama a! I Diary anie ohatran'ny mbola tsy ato e. Hoy i Rija
👉Fa lasa aiza indray ikiala kely iny e. Hoy i Menja
👉Aleo mihintsy aloha ho jereko any izy ka. Hoy hatrany i Madama tale dia lasa izy nitady an'i Diary... Efa ho minitra maro anefa no lasa fa mbola tsy niverina ihany izy ireo...
👉O lehity ry Tojo a, fa aiza ihany i tale sy i Diary e? Hoy i Rija
👉Tena sao mba nisy nahazo azy ireo ary any leisy fa andao ho jeren-tsika roalahy any aloha. Hoy I tojo ary nivoaka izy roalahy
👉Andraso fa izaho koa hanaraka anareo any. Hoy i Vola nanenjika an'i Rija sy i Tojo

HITOHY...
MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY📖SOMBITANTARA

VALIFATY "fiz 6"👉Fa... Naninona aho kay? Ary nisy inona? Rado... Fa naninona aho? Hoy aho gaga fa toa matory eto amin'ny...
27/02/2026

VALIFATY "fiz 6"

👉Fa... Naninona aho kay? Ary nisy inona? Rado... Fa naninona aho? Hoy aho gaga fa toa matory eto amin'ny seza lava
👉Torana irery teto ialahy dia nobataiko teto, tsy fantako izay zava-niseho tato fa ialahy efa nivalampatra be teo amin'ny tany teo no tratrako tato. Hoy i Rado 👉Fa tsy nisy zavatra tsaroan'ialahy mihintsy ve izany? Hoy hatrany i Rado no sady nanolotra ahy ilay rano mba hosotroiko
👉Tena izay vao tadidiko, dia sahin'ialahy ve ry Rado no namono an'i Neny, efa novonoin'ialahy i Dada dia izao indray i Neny, rahoviana indray izany no hamonoan'ialahy ahy? Hoy aho dia nijohy indray ny ranomasoko... Gaga i Rado, nibanjina ahy tamin'ny maso feno fanontaniana, asa, inona re no ao antsainy e... Nitelin-drora kely izy avieo nisento izay vao namaly ahy
👉Tena tsy misy zavatra fantatro anie ho'aho izany e, fa maty ahoana aloha i Neny Ravao e? Dia hamono an'ialahy ahoana koa? Mba hazao aloha fa tsy azoko e... Hoy i Rado
👉Fa tsy ialahy moa no namono an'i Dada, dia avieo nasian'ialahy taratasy teo akaikin'ny fatin'i dada, nalain'ialahy ankeriny indray i Neny ary nitaky vola be tamiko ialahy, omaly anefa raha nikasi-tanana an'ialahy aho dia tezitra ialahy ka novonoin'ialahy i Neny. Hoy aho
👉Tena mba minina amin'ialahy kosa aho ry Rado fa tsy misy zavatra fantatro izany zavatra tenenin'ialahy izany a, efa toin'ny fianakaviako no nandraisako anareo ka izaho indray ve no andeha hamadika anareo... Fa afaka tantarain'ialahy ahy tsara ve aloha ny zava-niseho e, mba hahafahako manampy an'ialhy manko.
👉Izao ary e, andao aloha hoany amin'ny hopitaly fa naterin'olona any hono ny vatana mangatsiakan'i Neny, rehefa vita ny adidy farany hatao amin'ilay reniko dia tantaraiko an'ialahy izany... Hoy aho nitsangana ary nandray ilay findaiko teo ambony latabatra, gaga aho fa vaky ilay "ecran"ny findaiko,nojereko tsara i Doda ary nitamberina tato antsaiko fa...

AO AMIN'NY KAOMANTERA HATRANY OH.

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA

aza adino ny mi-abonnez

VALIFATY "fiz 5"👉Tsy araka ny nanampoizako azy ny zavatra noresahin'i Doda tao amin'ilay antso nataony teo, niandry mand...
26/02/2026

VALIFATY "fiz 5"

👉Tsy araka ny nanampoizako azy ny zavatra noresahin'i Doda tao amin'ilay antso nataony teo, niandry mandra-pahariva ihany koa aho fa tsy nivoaka ny tranony intsony izy, sa va re efa fantany hoe nanaraka azy aho dia mailo izy e? asa? Tena vaka mihintsy izany ny saiko, ilay fempotoana anefa tena atomotra be, dia sanatria ve hamoy an'i Neny indray aho e, sanatria kosa izany e. Hoy aho no nijohy mora nanaraka ny tarehiko ny ranomaso. "KLILILIO" hoy ny fanenon'ilay findaiko.
👉Allo!... Hay mbola ialahy ihany... Izao ary e, tongava aty amiko ialahy rahampitso dia aty miresaka... Eny ho'aho rahampitso... Tandremo sao tsy tonga aty ialahy fa sokiriko any antranon'ialahy any a... .....
👉Maraina ity ny andro, misy mandondona izany, mety Doda angamba izany fa aleo sokafana.... ... Manao ahoana ianao, misy olona tadiavinao angaha sa...? Hoy aho. Tsy i Doda manko no tao fa tovovavy, fa ilay endriny aloha tsy vaovao amiko e, fa tsy tsaroako fotsiny hoe taiza moa no nahitako azy ity.
👉Salama tsara aho ka, fa i Rado no manao ahoana? Fa tsy tsaroanao intsony ve aho? Hoy izy nitsiky. Iny tsikiny iny no namerina ny fitadidiako fa hay izy ilay tovovavy niresaka tamiko indray ariva iny, ilay teo amoron'ny toram-pasika tany amorontsiraka, fa ny anarany no tsy mety miverina ato andohako, nefa izy dia mbola mahatadidy ahy, ary tamin'ny fomba ahoana koa no nahitany ny tranonay...
👉Variana be Rado izany. Hoy indray izy namerina ny saiko mba hifantoka tsara eo ampandraisana azy.
👉An! miala tsiny, tsy izany fa mamerina ny fitadidiako aho,mantsy tsy mety tsaroako mihintsy ny anaranao, ilay endrikao tadidiko ihany fa ilay anarana no e, e, e. Hoy aho nisafo loha kely.
👉Tena tsy tsaroanao mihintsy ve? Nefa ny anaranao sy ilay endrikao dia tsy nety voafafa tato antsaiko mihintsy nanomboka tamin'iny takariva iny.
👉Tena tsy tsaroako marina e.

AO AMIN'NY KAOMANTERA NY TOHINY

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA

VALIFATY "fiz 4"👉Dia i Doda ve? I Doda no manao valifaty aminay, dia inona anefa no antony e? Inona ny ratsy nataonay az...
25/02/2026

VALIFATY "fiz 4"

👉Dia i Doda ve? I Doda no manao valifaty aminay, dia inona anefa no antony e? Inona ny ratsy nataonay azy? Manomboka izao izany dia arahako maso akaiky ialahy ry Doda, ary raha voaporofoko fa ialahy no namono an'i Dada dia hoavy amin'ialahy ny tsy mety, ary tena tsy ho zakan'ialahy ny valifatiko...

Nanomboka teo aho dia nanaramaso an'i Doda foana, mijery izay ataony, mamantatra izay alehany

👉Maneno izany findaiko izany,ary toa laharana miafina anie izy izany e, fa iza ary... Izaho koa ity dia lalina ko, raha tsy raisina ve ho fantatra izay miantso... allo!... Fa iza angaha izao azafady e... An! Neny... Fa iza izao dia aiza ny reniko e?... Notapahiny ilay antso, fa iza ary ilay teo? Nalainy ankeriny hono i Neny ary mila ahy izy ireo mba ho takalon'ilay reniko. Doda! Tena hoany amin'ny Doda aho izao fa raha tsy ao antranony izy dia mazava hoazy fa izy izany no naka ankeriny an'i Neny. Hoy aho ary lasa haingana namonjy ny tranon'i Doda... Mihidy anefa ny tranony, mazava hoazy fa tsy misy olona ao.
👉Tena tsy vanona ialahy ry Doda a, namana mpamadika, ialahy izay mba noraisiko ho rahalahy izay tsy nananako no mahavita izao, tsy avelako vita mora izao fa ho hitan'ialahy tsara...

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA

araka ny nampanantenaiko omaly dia arahinao ao amin'ny kaomantera ny tohiny...

VALIFATY "fiz 3"👉Fa inona no raketin'iny taratasy iny no toa mivaloharika be izato ianao e? hoy i Neny. Tsy namaly azy a...
24/02/2026

VALIFATY "fiz 3"

👉Fa inona no raketin'iny taratasy iny no toa mivaloharika be izato ianao e? hoy i Neny. Tsy namaly azy aho fa lasa ny saiko hoe inona no ratsy nataonay. Noraisin'i Neny moa ilay taratasy ary novakiany, gaga izy, nijery ahy avy eo nijery an'i kaomisera
👉Fa hono ho'aho ry izy mianaka, moa misy olona nanaovanareo ratsy ve? Raha arakan'ny voarakitr'iny taratasy iny manko dia mirakitra valifaty no anatiny. Hoy i kaomisera Benja
👉A, a, a! tsy nisy olona nanaovanay ratsy izany ka, fa dia mahagaga ahy hoe iza no nanao izao, ary raha ny voasoratra ao ihany dia tsy hijanona izy raha tsy tapitra maty avokoa izahay. Hoy i Neny namonjy nipetraka... Dia natao ny fikarakarana ny razana, roa andro tao ambohatra i Dada izay vao nalevina... Banga tanteraka ny fiainanay nohony fahalasanany, izy ilay ray be fitiavana, ilay ray miahy hatrany ny fianakaviany nefa dia nesorina taminay nohon'ny fialonana...

👉Dia ahoana lehity ry Rado a? Salama tsara ve ialahy e? Hoy i Doda namako akaiky
👉Salama tsara leisy aho a, fa ny alahelo an'i Dada no mbola mibahana ny saiko. hoy aho nisento kely
👉Fombany leisy izany a, izy no lasa fa mbola samy hoany daholo anie e, eny fa na dia ialahy io aza. Hoy i Doda no sady nanao tsiky tsiravina
👉An! Tsy azoko...

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA

hialana tsiny raha somary fohy anadroany fa tery be ny fotoanako...
rahampitso alefako miaraka ny "fiz4 sy fiz 5"
araho hatrany ny pejy😀😀

VALIFATY "fiz 2"👉Hay ve e, fa tsy aleo ve mamonjy fodiana amin'izay fa efa miha alina koa ity ny andro e. Hoy aho tamin'...
23/02/2026

VALIFATY "fiz 2"

👉Hay ve e, fa tsy aleo ve mamonjy fodiana amin'izay fa efa miha alina koa ity ny andro e. Hoy aho tamin'i Vaniala
👉Eny tokoa, veloma i Rado dia mandrampihaona indray. Hoy i Vaniala ary samy namonjy ny akaniny izahay...

Nivadibadika fotsiny aho teo ampandriana fa tsy nahita izay torimaso akory, ilay takamoa eo ambonin'ny masoko no ataoko tsara dinika. Toa tsy afaka ato antsaiko mihintsy ny endrik'i Vaniala, indrindra moa fa izy ilay mitsiky kely iny e, tena...

Maraina ny andro, vao nifoha teo ampandriana aho dia vaovao ratsy no norenesin'ny sofiko, toa ireny nolatsaham-baratra ireny ny tany anaty foko tany, nirotsaka nameno ny tavako ny ranomaso ka nahakotsa mihintsy ny akanjo nanaovako raha nahare ny tenin'i Neny fa naharay antso avy any Antananarivo izy fa maty nisy namono tao antrano i dada. Tsy maintsy manainga izao maraina izao izahay hamonjy an'Antananarivo...
Iza no nahavanona izao loza izao? Dia inona no antony? Dia i Dada mihintsy ve? izany no mibosesika mameno ny lohako. Raha ny nolazain'i Neny manko dia tsy nisy nipika ny entana tao antrano. Sa ve misy olona manana lonilony amin'i Dada e? Toa tsy mampino ka, i Dada manko raha ny nahafantarako azy hatramin'izay dia olon'ny fiarahamonina ary tena mamihoditra teo antanàna sy tany amin'ny toeram-piasany.

Tonga izahay, rakotra mpitandron'ny filaminana tao antrano notronin'ireo mponina.
👉Dada a, dada ho'aho, mifohaza moa e. Hoy aho vonton'alahelo miharo hatezerana
👉Aok'izay Rado a, mahereza fa izay no anjarany e. Hoy i Neny mihezaka mampahery ahy
👉Tsy avelako ho vitavita mora izao fa tsimaintsy ho fantatro izay nahavanona izao ary dia hianjeran'ny VALIFATIKO
👉Rado a, ity taratasy ity no hitanay teo akaikin'ny vatana mangatsiakan'ny rain'ise. Hoy i Kaomisera Benja.
👉Ao hoe hojereko kaomisera a. Hoy aho ary noraisiko ilay taratasy.

MPANORATRA👉RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA
abonneo hatrany ny pejy raha mahaliana anao ny manaraka ny tantara soratako...

HITOHY...

...... VALIFATY...... Efa madiva hilentika iry ny masoandro, midorehetra mena aok'izany ny faravodilanitra ery amparataz...
22/02/2026

...... VALIFATY......

Efa madiva hilentika iry ny masoandro, midorehetra mena aok'izany ny faravodilanitra ery amparatazana, ravahan'ireo vorona handeha hamonjy ny hakaniny, mitony dia mitony tokoa ny ranomasina ka satriko hipetraka eto hankafy ny hankantony arahan'izato sio-drivotra mandrotsy malefaka mampitony fo, toa zarako aza hitoetra eto amoron'ity torapasika ity mandra-maraina.

👉Manao ahoana ianao? hoy ity tovovavy mijoro eto anoloako. Variana be ianao izany a
👉An! ma... Salama tsara aho ka. Tena mialatsiny fa variana aho mandinika ny hakanton'ny tontolo ety amoron-tsiraka ety. Hoy aho no nitraka mba hijery izay olona miarahaba ahy. Hakanton'izay olona re izany e, tovovavy lava ity izy, mirefy eo ho eo amin'ny iray metatra sy enimpolo eo angaha, ny volony lava manasa-balahana sady tsotra, ny endriny indray mangalatra ny endrik'irony karana irony, lavalava orona, baribary maso ary somary maranidranitr'endrika, tena tsara e, manja, izay angamba no afaka amehezako azy
👉variana be indray ianao, fa misy olana angaha ianao e? hoy indray izy
👉Tsy misy ka, fa lasa kely fotsiny ny saiko mandinika ny hakantonao. Hoy aho dia mody nitsiky
👉Izaho koa ve dia kanto fa aza dia mahita lazaina eo ianao e. Vaniala aloha ny anarako e, ary ny anao mba azoko fantarina ve? hoy izy nitsiky kely, iny tsikiny iny moa dia vao mainka mampiseho ny hantsaran-tarehiny, moa tsy irony mpifaninana amin'ny "MISS" irony no tsy hitako
👉Faly mahafantatra an'i Vaniala aho izany, izaho kosa no Rado, fa monina aty mihintsy izany ianao? sa ve mialasasatra fotsiny? hoy aho mba nitsiky ihany koa
👉Aty mihintsy izahay no mipetraka ka, mila ravinahitra aty dada dia nanorom-ponenana aty izahay

AO AMIN'NY KAOMANTERA NY TOHINY
hoanareo izay manaraka amin'ny vondrona hafa dia hidiro ny pejy mba hahitanareo ny tohiny

MPANORATRA👉 RIM'JAH
SOKAJY👉SOMBITANTARA
aza adino ny mi-abonnez ny pejy

MISYMisy fo te hitia, te hiantso anao ry tianaEny, misy fo maniry ny ho tianaMisy feo te hibitsika antsofinao manginaHam...
22/02/2026

MISY

Misy fo te hitia, te hiantso anao ry tiana
Eny, misy fo maniry ny ho tiana
Misy feo te hibitsika antsofinao mangina
Hamoaka izay tena faniriana

Misy maso te hijery hibanjina anao anaty nofy
Eny, misy fanahy mba miandrandra anao handrotsy
Misy sary te hiseho an'eritreritra ao
Sary izay maneho ny hatsaran-tarehinao

Misy kalo te ho antsaina hibitsika fitia
Misy vazo iray mba te hifangia
Eny, misy any ho any fo mba te hiantsampy
Misy any ho any fo mba te hamboraka ny ao anaty izay tsy tanty

RIM'JAH
22 febroary 2026

Address

Ankadindramamy
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Rim'jah Ofisialy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category