22/08/2026
Nandalo tany Gasikara aho ny volana Mai teo, nanao ny veloma farany ho anilay zokiko vavy tiako sy tena nanampy bé ahy izay, isan'ny akaiky ahy indrindra 💔
Nihezaka aho ny hitsiky, tsy niseho fa malahelo, nanafina izany nefa tsy mety ny saiko sy ny foko satria olom-belona ihany aho koa nahatsiaro azy tampoka indray androany dia nanao ity hira ity ; Ary ihany koa hanararaotra hisaotra ny rehetra tonga nanotrona tamin'ireny andro nangidy ireny 💔🙏
Misaotra manokana ny CEG Soavimasoandro noho ny fitiavanareo azy ❣️
Maro ireo mpianatra sy mpampinatra torana sy safotry ny alahelo nandritra ny famangiana, ny fiaretantory, indrindra nandritra ny fanaovam-beloma azy farany teny amin'ny CEG 🙏
Misaotra ry reto a ! Mino izahay fianakavaina fa hitany sy tsapany ihany koa ireny fitiavana ireny 🥹