Fanenjika

Fanenjika Malagasy
Mpanao sary miaina
Mpitantara angano

15/04/2026

💥Ho tantaraina miandalana ny nanenjehana azy ity tao anatin’ny iray volana sy tapany, tao anatin’ny fotoana naha tapaka lava ny jiro 😀

14/06/2025

🌙 Vohitry ny Nofy
✨ Azo atao sy foronina avokoa izay nofy sy eritreritra mandalo ao an-tsaina rehefa manao sary miaina. Izay nofinofisinao rehetra azo atao sary avokoa.

🚀 Mila "fusée"? Atao sary ny "fusée".
💣 Mila tafondro? Atao sary ny tafondro.
Tsy voafetra. Tsy voageja.
Izay no mahafinaritra amin’ny fanaovana sary miaina: fahafahana feno.

"Vohitry ny Nofy", izay moa ny anarana nomeko ity toerana tao ambadiky ny varavarana ity.
Raha ny ao an-tsaiko sy ny vitan'ny tanako anefa, mbola misy elanelana be.
Fa tsy maninona izany, efa mahalaza ny tiana ambara aloha io.
🌌 Tanteraka tsikelikely ilay nofy.

12/06/2025

🔹 Dingan-tokonana.
Mino aho fa efa niainanao ilay fotoana tsy azo ialàna, rehefa tsy maintsy manapa-kevitra ianao. Mino koa aho fa tsapanao fa sarotra ny manao dingan-tokonana, indrindra rehefa miatrika zavatra vaovao.
⏳ Tsy misy fotoana hisalasalàna intsony fa na mandroso, na mihemotra. Na fanadinana 🎓, na fitsaboana 🏥, na asa 💼, na fotoana tsy maintsy hitondran-teny 🗣️… mampatahotra mandrakariva ny mandingan-tokonana.

Fa rehefa vita ilay dingana, lasa kely ny tahotra. Eny, mbola misalasala kely ihany angamba, mandringy kely, manao teny latsaka eny imason’olona 🤐, fa efa mandeha sy manohy ny dia 🚶‍♂️🚀.

💡 Tahaka izany no mitranga sy tantaraina amin’ity sombiny faharoa ity.

Hafatra?
🔥 Sahia mandingan-tokonana.

08/05/2025

Tongotra! 🦶

Kilalao tena haiko io fanenjika io taloha, satria izaho olona kely ka mahery miazakazaka sy mipitipitika toy ny parasy 🏃🏽‍♂️💨. Aingam-pamindra mihitsy ny tongotro, mamitapitaka sahala amin'ny akoho 🐔 🤣, matetika maratra, folaka, voafingana 😖 satria maika ny hitsoaka an'ilay boka.

Ankehitriny, izaho ilay boka 🤣, manenjika tanjona miazakazaka mafy ary mbola tsy tratra 🏃‍➡️🎯.
Vizaka! Vizaka sahady vao manomboka 🥹.

Izay ny zavatra ambara amin'ny tapany voalohany an’ity sary miaina ity.
Tongotra vizana, vatana vizana, endrika vizana 🦵🧍🏾‍♂️😵‍💫
Fa manohy ilay dia ihany anefa, tsy kivy, tsy ketraka 💪.
Ary nahita mangirana ihany rehefa nisokatra ilay varavarana ✨🚪.

Nitraka sy talanjona ny endrika 😲rehefa tazana ny hazavàna tao ambadiky ny varavarana, satria mampiseho zava-baovao 💡.
Iza moa no tsy liam-bao 🤫😅 ?

Tahaka izao ny tao am-patana tamin’ity ampahany voalohany ity 🥘🔪🫙.
Ho avy eo ihany ny tohiny… fa mazotoa mitsidika 🤍.

24/04/2025

🔥 Ito ary ilay Fanenjika! 🔥
🎞️ Vokatry ny asa natao nandritry ny fito volana izy ity.
🙋🏽‍♂️ Irery aho nanao azy, ary safidiko manokana ny nanaovana azy irery.
🎯 Fanamby nataoko izy io, hitsapako hoe hatraiza ny takatro.

🎥 Tsy nieritreritra ny handray anjara tamin'ny FIFAM aho,
kanefa moa fanamby fanampiny iny ahitana izay mety ho tody,
ka dia nandray anjara tamin'ny fifaninanana ilay sary miaina kely.
✅ Voafantina ilay izy, ary raha toa ka teto amin'ny takila ihany no saika hizaràna azy, dia naseho ampahibemaso tao amin'ny IFM ilay izy noho ilay fifaninanana.

🌀 Izy ity moa tsy mbola angano akory,
fa sary miaina entina hanombohana ny tena fanenjika,
satria mbola boka aloha ny tena, ary maro ny tanjona enjehana.

💬 Tsetsatsetsa tsy aritra:
⚡ Ity asa ity natao tamin’ny fotoana naha-tapaka lava ny jiro, fa tsy mahasakana ny fanenjika izany 💣🔥
🚀 Fanambiko iray ihany koa ny hoe : “vitako io, na tsy nianatra tany ampitan-dranomasina aza aho.” 💪

Farany 😁, azo verenana jerena hatrany hatrany, tsy misy mametra.
⚡️Sady misy fiovàna kely amin'ilay naseho tao amin'ny IFM ity eto amin'ny takila ity. 😉

🤔 Ilaina sa tsia? 🤔 Milay sa tsy milay? 🤔 Manampy sa manimba? 🤨 Tsy maintsy mifidy ve? Ireo fanontaniana ireo ary efa ma...
01/04/2025

🤔 Ilaina sa tsia?
🤔 Milay sa tsy milay?
🤔 Manampy sa manimba?
🤨 Tsy maintsy mifidy ve?

Ireo fanontaniana ireo ary efa mamolavola eritreritra sahady, koa ataoko ahoana ny hamaly izany! Ity aloha ny hevitro hatreto, mety hiova, mety hivoatra :

👉Ny "milina misaina" toy ny sahafa, ny mpanao kanto kosa, toy ny akotry. 👈

🇫🇷 : "L'IA banalise, l'artisan sacralise."

🙅‍♂ Ny resaka alalana indray aloha, ady hafa mihitsy.

🔥 Fetra? Aiza? Vao manomboka ka aleo tsy ferana.Nataoko irery ity sary miaina ity, hijereko ny mety ho vitako samy irery...
27/03/2025

🔥 Fetra? Aiza? Vao manomboka ka aleo tsy ferana.
Nataoko irery ity sary miaina ity, hijereko ny mety ho vitako samy irery. Ankehitriny, notsongaina hifaninana amin'ny hafa ilay izy. Ndeha hiara hijery hoe hatraiza ny takatra. 🔥

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fanenjika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category