10/08/2026
🤍 PETIT RAPPEL — Onitah Piercing fa betsaka loatra ianareo no manontany anah foana misakasika azy ity
Mila anesthésie ve rehefa manao piercing? 🤔
👉 Amin’ny ankapobeny dia tsy ilaina ny anesthésie rehefa manao piercing.
Ny piercing dia atao amin’ny aiguille stérile sy adaptée amin’ilay piercing, ka vetivety ihany ny fotoana anaovana azy. Mety hahatsapa pincement na douleur kely ianao mandritra ny segondra vitsy, fa samy hafa ihany koa ny tolérance an’ny olona tsirairay... 🫶🏻
Ary tsy hoe anesthésie no tokony hianteherana mba tsy hahatsapa na inona na inona. Ny tena zava-dehibe dia ny hygiène, ny matériel adapté ary ny technique tsara rehefa manao piercing....
Ka raha matahotra kely ianao alohan’ny hanaovana azy dia normal tsara izany 😌🤍
Fa matetika, rehefa vita ilay izy dia hoe: “Hay izay fotsiny ve? 😂”
✨ Onitah Piercing — piercing réalisé avec soin