NO-MI Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from NO-MI, Poet, Antananarivo.

LITERERAM-BOLAN-TSINANA
30/05/2026

LITERERAM-BOLAN-TSINANA

17 Martsa 2025 - 17 Martsa 2026 → Herintaona sahady😅🤗🤗🤗Araho hatrany ny pejy🥰→NO-MI😘
17/03/2026

17 Martsa 2025 - 17 Martsa 2026 → Herintaona sahady😅🤗🤗🤗
Araho hatrany ny pejy🥰→NO-MI😘

RINA Tsinjoko tao anaty tanora maro ianao Tazako miavaka ka hafa indrindra Betsaka ny olona ary nifamahofahoNiavaka ihan...
05/12/2025

RINA

Tsinjoko tao anaty tanora maro ianao
Tazako miavaka ka hafa indrindra
Betsaka ny olona ary nifamahofaho
Niavaka ihany tamin'ilay dihy mirindra.

Te hanatona anao aho, kanefa
Vahotra ny tongotro, toa mifatotra rojo vy
Nanatona anao kosa i Mahefa
Dia nandihy ianareo, ka nianoka fitia.

Nanodina ny lohako aho nijery tany an-kafa
Rano no nitambaingana tamin'ny masoko
Ny haravoan'izy roa: mitsiky sady mitafa
No hany sary, nanjary ho ankasoko

Lanonan'i Mahefa sakaizako tamin'izay
Mpanjakavavin'ny fony kay i Rina
Natolotro ho azy ny fanomezana iray
Ka nilefa aho ary namonjy fodiana.

Tampoka teo, nilomay avy tao aoriako
I Rina manainga ny fanahiko
Tsapany angamba ny fahoriako
Te hamboraka aho, fa tsy sahiko.

"Rina no anarako, andraso kely aloha"
Hoy ny feony malefaka sady niampy tsiky
"Nahoana kosa ianao no mody aloha?"
Ny fahatsorany manjary homamiadana mikiky.

NO-MI
Aogositra 2023

Indraindray ny mpanoratra dia maka ny toeran'ny hafa→ tovolahy iray aho teo amin'ity tantara kely ity.
Mankasitraka antsika manaraka hatrany ny pejy🥰🙏

SAMIA Samia mitsabo ny feriny Samia manovo ny herinySamia mitady ny vahaolanaSamia mitandrina tsy ho toranaSamia miketri...
08/06/2025

SAMIA

Samia mitsabo ny feriny
Samia manovo ny heriny
Samia mitady ny vahaolana
Samia mitandrina tsy ho torana

Samia miketrika 'zay tiany
Samia mahazo 'zay iriny
Samia mamafa ny ranomasony
Samia manala ny ankasony

Samia milofo sady miarina
Samia manjaitra 'zay notriarina
Samia misaina 'zay hahasoa
Samia mitozo ihany koa

Samia manimanina irery
Samia mikalo hoe tsy very
Samia mifaly hatrany hatrany
Samia mankafy ny eto an-tany

Samia mikoja izato bika
Samia miezaka ho tafita
Samia mikatsaka tombon-tsoa
Raha ny amintsika, aoka aloha!

NO-MI
Jolay 2022

PEJY Taratasy fotsifotsy manjopiaka, Fahatanorana vao misandratraBotsiakan'ny hazavana tomaratraMangatsakatsaka, mangats...
01/05/2025

PEJY

Taratasy fotsifotsy manjopiaka,
Fahatanorana vao misandratra
Botsiakan'ny hazavana tomaratra
Mangatsakatsaka, mangatsiatsiaka

Mamerovero sy manentohento
Mivandravandra ny sora-boky
FITIAVANA NASIANA TOKY
Kanefa feno jaly sy sento.

Ravahana sarisary sy kalokalo
Tsofohana farango sosona maro be
Anatin'ireny, hono, zava-dehibe
Raketina ao ilay teny mandalo.

Teboka amam-paingo rehefa miady
Mifanohitra mantsy izay novinanina
Tsy misy milefitra ny samy tiana
Tsoraka no mampilamina sahady.

Raha sendra misintaka, tena tantara
Faingo sa baraingo ny ho tohiny?
Ilay tena tiany ve tena hafoiny?
Safidy amin'ny fiainana ny anjara.

Mariky ny fanontaniana ny baraingo
Miandrandra valiny saro-pantarina
Mifamahofaho manjary mahafanina
Mitohy ny pejy rehefa misy faingo.

NO-MI
Oktobra 2023

MAOLY HAFA KELY Fony mbola kely Tsy mba nisy pentina Tahaka ny anjely Lavitry ny aretina. Aretina tadiavina Noho ny zava...
25/03/2025

MAOLY HAFA KELY

Fony mbola kely
Tsy mba nisy pentina
Tahaka ny anjely
Lavitry ny aretina.
Aretina tadiavina
Noho ny zava-mahadomelina
Katsahina ka tiavina
Atsindrona sy atelina.

Ny sigara, ny rongony,
Ny maoly sy ny toaka
Mampirongatra; fa tsy tony
Manakotaba ireo vahoaka
Misy ireo manary lamba
Sy mitrifana ihany koa
Ny sainy mantsy no jamba
Ka mipika ny ati-doha.

Ny tanora no voataona
Hanandrana sy hankafy
Tsy haiko hoe: nahoana?
Fa toy izany rehefa tia
Mirediredy hatrany hatrany
Ka tsy misaina olon-kafa
Fa olon-tokana ihany
No ao an-tsaina, tsy voafafa.

'Zay 'lay maoly hafa kely
Tonga ho azy, tsy nantsoina
Tsy fanahy iniana velively
Satria tiana sy vetsoina
'Lay noheverina ho lafatra,
Kanto sady fanaperana
Ary katsahina fatratra
Irina mafy, tsy azo ferana.

NO-MI
Jolay 2022

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when NO-MI posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category