03/06/2026
📚 TONTOSA SOAMANTSARA NY VELAKEVITRA AM-PAMOLOANA
Faly izahay mizara fa tontosa an-tsakany sy an-davany ny velakevitra am-pamoloana izay niarahana tamin'i Mpanabe Tsara sy Ariela Fanoitra.
🔹 Lohahevitra nodinihina :
🗣️ "Voambolana malagasy mahasadaikatra : Fady sa azo tenenina ?"
📝 "Teny malagasy diso fanoratra anaty tambajotra : Loza mitatao sa fandrosoana tsy azo idivirana ?"
Fotoana iray nahafahana nandinika lalina ny fivoaran'ny teny malagasy, ny fampiasana azy eo amin'ny fiarahamonina sy ny tambajotra sosialy, ary ny fanamby sedrainy manoloana ny fiovan'ny vanim-potoana.
🙏 Mankasitraka indrindra ireo mpandray anjara sy ireo rehetra nanaraka sy nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra.
Ny teny malagasy no lovantsika, ka anjarantsika rehetra ny miaro, mampiasa ary mampandroso azy. 🇲🇬