26/11/2025
TSIA
Nahoana moa ny fo iray raha sendra ory,
Dia sahinao heverina ho dibo-karatsiana ?
Tsy atoro, fa tsaroy anie ny lanitra io ambony,
Tsy mamira-dranoray izy na vaso-doko kila
Tsy manazava foana fa indraindray manamatroka
Avoitrany daholo ny baliaka sy ny aloka
Fotoana fiainana;mizara ho anjaran'ny andro sy alina
Ary ny haizina sy zava mifanolosolo no aminy
Fomba an-tany fotsiny ihany no ilainao tadidina
Fa omaly, nahamamy , ny androany, nahasira !
Ka : "TSIA"
Hery ZoMa