10/06/2026
🔺 𝐇𝐨 𝐥𝐚𝐬𝐚 𝐭𝐨𝐞𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐚𝐫𝐢𝐦𝐢𝐡𝐞𝐭𝐬𝐢𝐤𝐚 ''𝐬𝐭𝐮𝐝𝐢𝐨 𝐝𝐞 𝐭𝐨𝐮𝐫𝐧𝐚𝐠𝐞'' 𝐢 𝐌𝐚𝐝𝐚𝐠𝐚𝐬𝐢𝐤𝐚𝐫𝐚
✅ Vina lehibe apetraky ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny hahatonga an’i Madagasikara ho toeram-pamokarana sarimihetsika (studio de tournage) mahasarika mpamokatra iraisam-pirenena hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Gascar Fenosoa androany.
Anisany voaresaka nandritra ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ireo mpikarakara sy tomponandraikitra iraisam-pirenena misehatra eo amin'ny tontolon'ny Sarimihetsika, nandritra ny ''Festival de Cannes'' farany teo izany hoy izy. Kendrena ny hampiroborobo ny “ciné-tourisme”, ka hahafahan’ireo mpamokatra sarimihetsika vahiny manao fakàna sary maharitra eto amin’ny Nosy, mety haharitra hatramin’ny enim-bolana. Izany no hanamafy ny maha-plateau de tournage an’i Madagasikara, sady hitondra fidiram-bola sy asa ho an’ny toekarena nasionaly hoy hatrany ny minisitra.
✅ Vinavinaina ho afaka manana tranoeva manokana mitondra ny anaran'i Madagasikara koa isika amin'ny ''Festival de Cannes'' manaraka, raha ny nambaran'ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, O'Gascar Fenosoa hatrany. Nahafahana nanokatra sehatra vaovao ho an’i Madagasikara ny fihaonana tany ary dingana iray manamafy ny fidiran’ny sarimihetsika malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mbola hisy ihany moa ny tatitra ofisialy hampahafantarana ny vokatra azo nandritra izany.
✅ Tsiahivina, anisany politika apetraky ny minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina ny fanandratana ny sehatry ny Kolontsaina tsirairay avy, ary tsy latsa-danja amin'izany ny sarimihetsika sy ny sarimiaina. Efa nisy fakan-kevitra nahafahana nanangana politika manokana ho an'izany.
Efa nisy koa sata manokana ho an'io rafitra io. Efa nisy ny Madagascar Film Festival – ISSM Awards andiany voalohany , hisy fanatsarana ny fifaninanana ho an'ity andiany faharoa ity, ary mitohy koa ny ezaka fanavaozana ny rafitra sy ny tontolo iasan’ireo mpisehatra.
✅ Ankoatra izay, fanamby lehibe apetraky ny minisitera ny hampivoarana ny sarimihetsika malagasy mba hanaraka ny fenitra, na ny kalitao, na ny sary, na ny feo, indrindra ny fitaovana ampiasaina. Nanamafy ireo mpisehatra fa ''tsy tokony ho sakana ho an’ny mpanao sarimihetsika ny Intelligence Artificielle (IA), fa ilaina kosa ny fametrahana rafitra sy lalàna mazava hifehezana ny fampiasana azy''.
✅ Manampy izany ny fametrahan'ny minisitera ho laharampahamehana ny fananganana indostria ara-kolontsaina eto Madagasikara, izay tsy voafetra amin’ny sarimihetsika ihany fa ahitana ireo sehatra kolontsaina rehetra. Tafiditra ao anatin'ny ezaka ataon'ny ISSM sy ny minisitera koa ny hisian'ny ''projection'' isaky ny faritra rehetra hahafahan'ny olona miverina ho tia hijery horonantsary anatin'ireny efitra voatokana ireny, raha ny nambaran'ny talen'ny ISSM, Zafindrazana Ralaiaridimby Edwellah.
✅ Eo an-dalam-pamolavolana ny ''Carte d’identité culturelle'',ny minisitera ankehitriny. Natao indrindra hanamora ny fifampiraharahana sy ny fivelaran’ny sehatra ara-kolontsaina eo amin’ny tsena nasionaly sy iraisam-pirenena izany.