05/04/2026
Iny ianao iny...
Iny ianao iny, ilay toa hoe manjakely
Satria tokoa mantsy tamin'ireny ianao anjely
Gaga ihany aho sady koa tena talanjona
Tamin'izato bikanao, ary koa ianao tsy niavona
Nitsikitsiky erý tao anaty hatsarana
Taitra aloha ny maso dia ny akama koa tsy tàna
Fa toa hoe tsara tarehy hono ity ianao ity
Ka nifarombaka niteny hoe : "Manjakely indry!!"
Iny ianao iny, ilay nahay niakanjo tsara
Izaho kosa aloha tsy handainga fa ny tenako dia tara
Kanto loatra ianao mantsy ka nanintona ny maso
Falifaly foana fa hanatitra any Ankatso
(Ny foko tsy hiova ho vato...)
Dia tena tsy handry ny ampitson'ny andro
Fa nalahelo anao, na hariva na atoandro
Ka nanjary tsy natory fa variana an'eritreritra
Mody hoe natory rehefa nisy niditra tao an'efitra
(Babo aho fa tsy afeniko)
Tonga ny maraina ka maika erý ny tenako
Mólamôla loatra ka ny volo nasiana menaka
Nihevitra ny ahita ilay anjely omaly
Ka nanjary hadinoko hatramin'ny nihinambary
Nony tamin'ny sivy dia nifanena isika
Ho diso ve ny tenako raha toa ka tsy nitsiky?
Fa diso fanantenana tamin'ny endrikao
Naleoko aloha ny nivoaka fa tsy lasa izao
Tsy nino ny eritreritro hoe ianao ihany iny
Hafa mihitsy mantsy ny nahitako azy fahiny
Ilay anjely omaly toa sarisary ihany
Fa diso kajy loatra tamin'ny hoe hamanjany
Dia iny ianao iny, ilay tsara vetivety
Iny ianao iny, ilay nanao akanjom-pety
Fa rehefa niova dia tsy tsara akory kay!!!
Tsy ho lava resaka aho, "Fa ratsy ianao dia izay!!!"
Niaina
01 avril 2026